NY FAHA-60 TAONAN’NY FAHALEOVANTENA

Tsy nandrenesam-peo intsony ny mpanao lohan’angidina,
Ny amin’izay ho famerenana iretsy nosy manodidina.
Asa na voavidy indray fa tsy tena tsy ahitana teny,
Tsy araka ny fihoerahoerany, tsy araka ny vavabeny!

Teo aloha dia nodradraina sy nitsofana mozika,
Fa ho azo iretsy nosy, tena hiverina amintsika.
Kanjo hatreto dia indrisy, tsy izany velively
Fa “fiarahana mitantana”, izany indray no toa haely!

Hita ho mandrirarira ry zareo frantsay.
Sahiny aza ny mihantsy, manao teny mahamay.
Ry boaikely anefa, indrisy, tsy misaina hanova “pasy”.
Tena tsy hainy ny manetsika ny hambom-pon-dRamalagasy!

Ny mangina indray no ataony, molotra no toa kaikeriny.
Etsy ankilany i Frantsa, mampiasa ny “olony” sy ny “heriny”.
Ka dia asa indray ny “gasy” raha hitafy lamban-tsaona,
Fa hatreto aloha dia maizina ny fahaenimpolo taona!

DADAN’I ZINA (20-10-20)