NY SARETY NO EO ALOHAN’NY OMBY ?

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara?
Izany foana ange no eto raha jerena ny tantara!
Atao ny fizaràna vary, ho an’olom-bitsy, ho fidedahana.
Avy eo vao :”iza ireo marefo ?”, izay ilay endri-pamitahana!

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara?
Izany foana ve no fomba mahazatra ny mapara?
‘ndeha jereo ireo tetikasa izay natao nipoapoaka.
Efa miainga, izay vao hoe: “andeha hierana ny vahoaka”.

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara?
Izany ve no hitantanana an’i Madagasikara?
‘Ndeha jereo ny colisée, natsangana mangina tao.
Tsy nisy izay mba fankatoavana ka miakatra ny hoe:”ravao”!

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara?
Izay ilay sarin-damasinina misosa tsy mandalo gara?
Ny bontolo hatrany hatrany, izay no masaka ao an-doha,
Na efa tena tazana aza izatsy fasana mivoha!

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara?
Mba mihevera dia ilaozy ilay “toe-tsaina maramara”.
Ratsy be ny “dia mianòtra” izay fanaon’ny fozaorana,
Ka diniho, mba tsy hanenenana, ny lala-mendrika hizorana.

Dadan’i Zina (11-08-20)