Modely ratsin’ny vahoaka ny mpitondra – Avy any ambony mihitsy ny lesoka

Andry Tsiavalona

Nanamarika ny herinandro farany tamin’ny volana jolay sy ny herinandro fiandohan’ity volana aogositra ity ny fizarana “tsinjo sosialim-bahoaka” nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.

Niteraka resabe ireny fizarana ireny satria nifanohitra tamin’ny fepetra navoakan’ny fitondrana izay nandrara ny famoriana olona nihoatry ny dimampolo. Na ny trano fiangonana aza tsy nahazo nisokatra. Toy ny fizarana fanampiana rehetra hatramin’izay moa dia nahavory vahoaka marobe izany. Modely mandrakariva anefa ny mpitondra, ka tsy mahagaga loatra raha tsy manaja lalàna loatra ny gasy. Niaraha-nahalala tamin’ireny tarehimarika navoakan’ny CCO ireny fa tamin’ny fotoana nampiakatra be ny isan’ny olona nitondra ny tsimokaretina teto amin’ny Faritra Analamanga ireo herinandro ireo. Tsapa ihany koa fa tena talentan’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao mihitsy ny midina mizara zavatra eny rehetra eny, tsy noho ny fitiavana mitakosina amin’ny vahoaka araka ny filazany azy, fa fisehosehoana sy famendrofendroana ireo olona mety tsy nahazo fanampiana tokoa, izy mihitsy noho izany no manome ny modely amin’ny tsy fanajana lalànan’ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fihibohana. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny CCO anefa dia misy olona tsy ao amin’ny fokontany akory tonga eny ka mamorona korontana. Nampitandrina ity tomponandraikitra ity fa izay tratra dia ho saziana ary mety halefa eny amin’ny fitsarana mihitsy.

Tsapa ihany koa fa hain’ny filohan’ny Repoblika mihitsy ny manaitra ny fihetsempon’ny olona toy ny nataony tamin’ny 2009 niteraka ny fanonganam-panjakana. Tsapa koa fa izy mihitsy no manavakavaka satria niaraha-nahita ny fizarana ity andiana “tosika sosialim-bahoaka” ity tao amin’ny kianja Malacam sy teny Antsonjombe. Tsy mitovy velively ny sarangan’ny olona tonga teny amin’ireo toerana ireo. Raha ny teny Analamahitsy no jerena dia ny tao amin’ny Coliseum dia nanaja ny elanelana iray metatra ary notsongaina ny olona tao, fa ny taty ivelany kosa dia olona nifanitsa-kitro ary tena manamora ny fifindran’ny tsimokaretina. Naninona no tsy mba nanontaniana ireo teny ivelany raha nanana olana tamin’ny sefom-pokontany, toy ny nataony teny Alasora.

Efa mahatsapa ny tsy fahombiazan’ny nananganana rafitra petatoko, loharano, komity,… vao manenjika ny sefom-pokontany. Na ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny vovonana nanohana azy, IRD, aza dia niaro ny sefom-pokontany satria tsy avy any amin’izy ireny ny lesoka ireny fa avy any ambony mihitsy. Tsy milaza izany fa misy tokoa ireo eny amin’ny fokotany sasany tratry ny fakam-panahy ihany satria mahita ny ataon’ny manampahefana sasany.

Efatra volana sy tapany aty aoriana izay vao manao fanisana olona isa-tokantrano indray satria na ireo olona notendrena tao amin’ireo rafitra ireo aza dia tsy azo nitokisana. Raha mangarahara tokoa mantsy ny fitantanana ireo fanampiana avy any amin’ny mpiara-miombonantoka sy ny fitsinjarana izany any ambony any dia tsy misy sahy hanodinkodina izany aty amin’ny rafitra ambany. Raha manara-dalàna ny manampahefana any ambony any dia tsy misy ho sahy handika izany ny vahoaka tsy mandadiharona. Ny fitondrana no namoaka ny fepetra tsy maintsy hajaina kanefa dia ny filohan’ny Repoblika mihitsy no manitsakitsaka izany. Na ny lafiny ara-panahy aza dia nandeferan’ny Kristiana satria tsy nisy namonjy ny trano fivavahana izay rehetra nangetaheta izany.

Niantsoantso firaisankina sy fiaraha-mientan’ny rehetra ny mpitondra iatrehana izao valanaretina izao kanefa niteraka fifampiandaniana sy fifanenjehana ary fialonana eo amin’ny olompirenena samy ianjadian’ny fahantrana sy tsy fahampiana ny fizarana ity lazaina fa fanampiana ity. Tsy mahagaga izany satria ny tena sahirana tsy mahazo, fa misy olona manana olona ambony dia manararaotra izany, hametsifetsena ny mpiarabelona aminy.

Nidina tany Fianarantsoa sy Toliara ny filohan’ny Repoblika nitondra ny anjara fanampiana ho an’ireo Faritra ireo. Mahagaga anefa fa ny tanàna nolazainy fa nahalatsahan’ny tavoniny aza nodinganiny fotsiny satria ny mpaminany tokoa, angamba, tsy masina an-taniny. Namoaka ny fepetra mandritra ny 15 andro manaraka indray ny filohan’ny Repoblika ny alahady teo. Tsy misy miova ankoatry ny fahafahana mivoaka sy miasa hatramin’ny 5 ora hariva. Mbola nampiseho ny fahaizany manaitra ny fihetsempon’ny gasy ihany ny filohan’ny Repoblika, ka nanao fampitahana ny vokatry ny aretina pesta sy ny covid-19, izay tsy tsapany fa ny nampisehoany ireo tarehimarika ireo dia hiteraka fiheverana fa tsy misy tokony hatahorana ity valanaretina ity, ary ambonin’izany dia misy ny CVO izay nanaovany dokambarotra fa tena mahasitrana tokoa. Raha izany tokoa dia efa nihazakazaka nangataka na nividy ity CVO ity daholo ireo firenena maro aty Afrika izay nomena maimaimpoana. Tsy mila fampijoroana vavolombelona na fiantsoana “mpaminany” ny mety ho fanasitranana ny valanaretina amin’ny CVO, fa ny vokatra ihany no manamarina izany.