Paris – 8 aogositra – Hetsika ‘Ravao io colisée io’

Fikambanana ‘Ravao io colisée io’

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika nokarakarain’ny fikambanana ‘Ravao io colisée io’ ny sabotsy 8 aogositra teo anoloan’ny ambasady malagasy tao Paris. Ankasitrahana ireo olompirenena namaly ny antso na dia teo àry ny hafanana migaingana.

Eto dia miondrika eo anatrehan’ireo Malagasy namoy ny ainy noho ny aretina coronavirus tsy voafehy ary mihanika eran’ny Nosy, ary mahatsiaro ireo rehetra mandalo fahasahiranana mafy vokatry ny fihibohana.

Etsy ankilany dia manohy ny hetsika natomboka ny fikambanana ‘Ravao io colisée io’ ary efa nifandray tamin’ny ministera sy ambasady vahiny maro hampahalala ny zavamisy sy hifanakalo hevitra amin’izy ireo. Voaray ny antso, nanohina azy ireo ny fanimbàna ny Rovan’Antananarivo, izay vakoka malaza erantany, ary efa namaly ny antso izy ireo.

Maro ireo vondrona naneho ny fitsipahana io fanorenana io. Misy ny fitoriana tafapetraka teo anivon’ny ‘Conseil d’Etat’. Miray fo sy saina amin’izy ireo ny fikambanana ‘Ravao io colisée io’, ary manohy araka izany ny tanjona tokana ijoroan’ny fikambanana dia ny fandravàna io colisée naorina ao Anatirova io, na ho ela na ho haingana.

Marihina fa noho ny fepetra noraisin’ny tomponandraikitra tao Paris hiarovana ny kalitaon-drivotra hiainana na ny ‘mesure anti-pollution’ ao Paris dia tsy nahazo niditra ny tanàna ireo fiara voakajy ho tsy mifanentana amin’ny fepetra ‘anti-pollution’ (Crit’Air 3, 4, 5), hany ka maro ireo namana voasakana tsy afaka nandray anjara tamin’ny hetsika.
Isan’ireo olona voasakana tamin’izany i Guy Raelison, ka nametraka hafatra tamin’ny filohan’ny fikambanana ny tenany ho vakiana amin’ny mpiatrika: