EFA FATY MITSANGANA !

Tena noana ny “ambany tanàna”.
Tsisy hafitsoka rafanjakana.
Be ireo ory tsy manan-kohanina,
Nefa indrisy toa odiany fanina !

Amin’ny vatsy natao hozaraina,
Dia matetika no miala maina.
E! manjaka ny kitranoantrano,
Ka maloto ilay hoe “loharano”.

“Maika isika” hoy ny ventin-kabary.
(Maika hiseho amin`ireo mpaka sary!”
Ka toa endrika “ivelany” ihany,
No aseho sy aely eran-tany.

Fa raha momba izay hoe “ao anatiny”,
(Efa tena “mihinana ny fatiny”!)
Tsy voajery fa tena efa mangana.
Raha mijoro dia “faty mitsangana”!

Fihibohana mbola hotohizana,
Maro anefa ireo tena efa vizana.
Toa tsy fantatra intsony ny ho farany
Amin’ity fihibohana “anarany” !

TSIMIMALO (12-07-20)