ESORY NY “HIDY VAVA”

Ny alika no hoe atahorana hanaikitra
Ka mendrika azy ilay hoe “hidy vava”,
Fa ny olo-misaina sy manana andraikitra,
Tsy mendrika izany ka aoka hazava.

Ny zava-boasoratra na koa tenenina,
Da manaporofo ny fahalalahana.
Matoa mitanisa amim-bava sy penina,
Ny marina hatrany no tiana hibahana.

Matetika anefa ireo olona sasany,
(Indrindra ireo manana ny fahefana),
Matahotra mafy hotsaraina amin ‘ny asany,
Ka dia mivily manao hadalana.

Fefeny ny vavan’ny mpanao gazety,
Tsy hiteniteny na koa hitsikera,
Dia indro izy mihevitra ny ho vedety:
(Baikoiny sy giazany ny serasera!)

Ny zava-toy izany dia tena tsy mety.
Tsy mendrika anao izay nomem-pahefana,
F’omeo re ny hasin’ny mpanao gazety,
Avelao izy hiteny fa aza rarana.

Mitsara eny foana ny olon-drehetra,
Ka ny “fahefana” aza atao hamoretana.
Ny “fahalalahana” dia misy fetra,
Ka samia misaina amim-pieritreretana.

TSIMIMALO (11-06-20)