26 Jona 2020 – Rova – Colisée – Fanambin-dRajoelina ny hanitsaka ny hasina maha-Malagasy amin’ny fomba manetriketrika

Manohitra ny fanokanana ny ‘Kianja Masoandro’ na ny ‘Colisée’ ao anatin’ny Rovan’Antananarivo avokoa ny taranaky ny Ampanjaka sy ny Andriana manerana an’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny Antenimieran’ny Olobe eto Madagagasikara (AOM). Fanitsakitsahina ny hasina Malagasy no misy amin’izao fotoana izao, hoy i Omar Mektoub, sekreteran’ny AOM.

Rehefa tsy nahazo valiny ny taratasy mangataka ny fampitsaharana ny asa, izay napetraky ny filohan’ny AOM teny amin’ny lapam-panjakana, efa tapa-bolana lasa izay, dia niroso teny amin’ny ‘Conseil d’Etat’ ireo solontena avy amin’ny Andriana sy ny Ampanjaka avy amin’ny faritra samihafa, ary fikambanana samihafa, nametraka ‘requête’ na taratasy fitoroana sy fanoherana ny fananganana ny ‘Kianja Masoandro’, hampitsahatra ny asa ary mangataka ny fanonganana.

Etsy andaniny dia misy amin’izao fotoana hanoratana izao, fanasàna ofisialy ataon’ny fanjakana, ho an’ireo taranaka Ampanjaka sy Andriana avy amin’ny faritra hanatrika ny fanokanana ny fotodrafitrasa ‘Kianja Masoandro’, izay saromanana ao anaty ny fankalazàna ny fetimpirenena, ny 26 Jona.

Koa mampita hafatra amin’ireo taranaka Ampanjaka ny antenimieran’ny olobe. Raha ohatra ka mikasa ny ho avy aty amin’ny Renivohitra hamaly ny antso, dia hanitsaka an-tampon-doha ny Andriana sy ny fanjakan’Andriana eto Imerina izany, hoy i Omar Mektoub. Dia tsy tokony ho gaga izy ireo araka izany raha valin’izay, dia misy any aoriana ny hitondra hena kisoa any amin’ny valamena sy ny zomba.

Efa fantatra fa fomban’ny filoha Rajoelina ny manao di-doha sy miriaria fa tsy misy mahasakana azy, ka dia ho tanteraka ve ity fanambiny hanitsaka ny hasina Malagasy ity amin’ny fanokanana ny ‘Colisée’ eny Anatirova mandritra ny andron’ny fetim-pirenena ity, ny 26 Jona?

Lanzelo
Angom-baovao Real TV