EDITO 23 Jona – Fitondran-dRajoelina – Tsy voafehiny ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus

Samy misaina izay saininy avy ny olom-pirenena tsirairay amin’izao fotoana izao manoloana ny fahitany ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao, amin’ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus.

Eo ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana mifanindran-dalana amin’ny fitombon’ny fihanaky ny valan’aretina; eo ihany koa ny fiatrehan’ny vahoaka ny hamafin’ny onja fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany andavanandro izay managorobaka tanteraka ny kitapom-bolany sy mandritra ny ati-vilaniny andro aman’alina. Hizotra ho aiza ny firenena manoloana izany? hoy ny maro lasa saina. Tsy maintsy atrehina anefa ny anio izay midona, fa sarotra vinaniana ny hoavy izay toa mikendry ny hanamontsamontsana ny fiainany.

Manahirana ny mijery sy mieritreritra ireo olom-pirenena, raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana, ireo manana adidy amin’ny ankohonany, tsy maintsy mivoaka isan’andro ny trano fonenany, na tiany na tsy tiany, kanefa tsy azo antoka fa mampanahy ny tontolo hovantanina itadiavan-kanina sy fivelomana. Ny fiarovantena tsy misy afaka hilaza sy hitompo teny fantatra fa tanteraka tsara 100%. Toa kely endaka ny fitondram-panjakana amin’ny vahaolana entiny raha ny toe-javamisy hitan’ny vahoaka isan’andro indrindra tato ho ato. Mbola hahavita hahatsimbadika ny raharaha ve? hoy ny fanontanian’ny mpandinika.

Misy ihany ireo torohevitra avy amin’ny sokajin’olona maro samihafa ho an’ny mpitondra, fa anjarany no sisa ka hahitany ny lalan-kombana ao anaty kitsapatsapan’ny daroka tsy hita mason’ny valan’aretina. Efa tokony ho lesona lehibe ny tsy nandraisana ny hevitry ny hafa tany am-piandohan’ny fivatravatran’ny aretimandoza nitodika tamin’ny firenena maneran-tany ary anisany ny teto Madagasikara, ka izao no niafaràny.

Fiteny ny hoe “Mandady ny trambo”, raha ny fahitan’ny mpandinika azy. Ao raha matoa mivoajamala ny amin’izany ireo vondrona andry iankinan’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ny firenena. Tsy nahatana fa loa-bava ireo sokajin’olona samihafa mahatsiaro ho manana adidy amin’ny mpiray tanindrazana, ka samy milaza ny heviny mbamin’ny soso-kevitra avy aminy ho tolo-tanana mba tsy hananan-dratsy aoriana kely. Firenena iaraha-manana mantsy i Madagasikara. Mifamahofaho eo anoloan’ny vahoaka ny tranga maro tsy ahitany fanazavana sy vahaolana mazava sy hentitra ankehitriny mba hampitombina tsara ny sainy.

Fehiny, tsy voafehin’ny fanjakana ny fifehezana ity valanaretina covid 19 ity, na efa nilaza aza ny filoha Andry Rajoelina fa voafehy izany. Niteniteny foana ve ny filoha, sa diso ny tatitra nomena azy?

Tsy voafehy izy ity, porofon’izany, nitombo fatratra ny olona vaovao mitondra ny valanaretina ny faran’ny herinandro teo, olona 2 no maty, ka 15 hatreto no matin’ity valanareti-mandoza ity, raha ny omaly nahatratra 44 indray ny olona vaovao nahitana ny tsimokaretina. 37 no sitrana. Raha tatitra azo, 18741 hatramin’ny omaly ny fitiliana vita.

Sôh’son