Arovy ny Rova – Sabotsy 13 Jiona – Hetsika Antananarivo – Hetsika any Paris

(Sary FB Rakibolana Malagasy)

Hetsika Antananarivo eny Anatirova

MANAO ANTSO AVO NY FIKAMBANANA REHETRA TSY AN-KANAVAKA SY NY VAHOAKA izay tsy mankasitraka izao fanimbana ny vakoka sy fanimbazimbana ny toerana masina ANATIROVA izao haka ny andraikiny, hifampiantso sy hivory maika.

MILA NY FIRAISAN-KINANTSIKA MAFY ity indray mitoraka ity satria ny hasina maha-Malagasy no voatohitohina eto.

– Ho tonga eny Anatirova, eo amin’ny lapan’ny fitsarana, dia manaraka ny trottoir mijoro manao elanelana 1,5m
– Ny andro hanaovana azy dia isaky ny Asabotsy amin’ny 12 ora hatramin’ny andro fitokanana ny « Kianja Masoandro » ary ho atao eto Antananarivo sy manerana ny Nosy ary ny Malagasy rehetra ivelan’ny Madagasikara ity hetsika ity
– tsy misy mitabataba fa mangina tanteraka
– Manaja ny fepetra aro ara-pahasalamana (aro-orona sy vava, elanelana 1,5 m)
– Fampisehoana ny tsy fankasitrahana : Sainam-pirenena izay tsy velarina fa fatorana ruban mainty no entina, ary mitodi-damosiny ny arabe na rehefa mandalo ny “officiel”
– Tsy misy kabary, tsy misy miteny fa ny mpanao gazety no ho valiana raha manontany

NY HETSIKA ATAO : TSY HO FANONGANAM-MPANJAKANA MIHITSY!!


Hetsika Paris eo amin’ny masoivoho

Source: AROVAKO NY ROVA.
HETSIKA MAITSO PARIS 13/06/2020

Manentana antsika rehetra ho tonga eo amin’ny Parc manoloana ny Ambassade de Madagascar (4 av. Raphaël – 75016 Paris – Métro La Muette) ny asabotsy 13 jiona 2020 amin’ny 4 ora tolakandro.

-Manao Akanjo MAITSO na SAINA Malagasy 🇲 na Satroka Maitso na fehiloha Maitso. Mety koa ny loko FOTSY na MENA. Afaka mitondra soratra “AROVAKO NY ROVA FA LOVAKO”. Hisy an’io soratra io ihany koa eo an-toerana afaka tazonina rehefa maka sary.

FB Rajoelina Rasoloarimanana Rija