CEG Ambohimanandray – 15 km miala an’Antananarivo – Tsy misy tafo ary vato no atao seza

Dia gaga ianao fa lasa aiza daholo ny fanampiana rehetra ho an’ny fampianarana sy ny sekoly, hoy ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato, nidina teny amin’ny CEG Ambohimanandray, manalavitra 15 kilaometatra miala an’Antananarivo. Tranom-pianarana tsy misy tafo no miandry isan’andro ireto mpianatra hanala fanadinam-panjakana ary vato malaho no solon-tseza.

Ny tapimbava avy amin’ny fanjakana dia tsy misy na iray àry, ny fanampiana avy any ivelany atao resabe fotsiny fa tsy misy tonga. Kanefa ny mpianatra vao miampita tsy lavitra etsy Alakamisy na Ampitatafika dia saziana mamafa tokontany.

Lavitry ny kabary sy resabe ataon’ny fitondram-panjakana ny zava-mitranga eny an-toerana. Raha izao no miseho vao tsy lavitry ny renivohitra dia tsy hay eritreretina ny any lavitr’andriana.

Fototry ny fampandrosoana ny fanabeazana, kanefa raha ny zavamisy dia tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana mihitsy izany. Fanabadoana ve no tanjona?

Vaovao MBS