Depiote Fetra Ralambozafimbololona – Tsy tompon’ny fahalalahana irery ianareo

Manao ririnin-dasa tsy tsaroana ankehitriny ny fitondrampanjakana rehefa nampindramina fahefana. Raha jerena ny fomba fanaovan’ny mpomba ny fitondràna ankehitriny ny filohan’ny repoblika teo aloha tetsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey, dia tsy ampahafirin’ny nataon’ireo olona izay nampidirina am-ponja tamin’ity fitondrana ity.

Raha tsiahivina dia saika fanehoan-kevitra tao amin’ny tambazotra sosialy avokoa no nampidirana am-ponja sy niantsoana olona maro teny amin’ny cybercriminalité tato ho ato.
Tamin’ny taona 2018 dia nilanjàna vatapaty ny filohan’ny repoblika tamin’izany andro izany, saingy tsy nisy ny nigadra na nampanantsoina tany amin’ny cybercriminalité.

“Rehefa ianareo no manao dia ara-dalàna, malalaka ianareo, fa rehefa ny hafa dia tanisaina izao karazan-dalàna rehetra izao… Ka dia tsy tokony hisy ny mizàna tsindrina ila na mitanila fa tsy mitondra antsika ho aiza izany toe-tsaina izany… Tadidio tsara fa tsy tompon’ny fahalalahana irery ianareo, tsy tompon’ny fahaizana irery fa tompon’ny fahefana mandritra ny dimy taona izay nomen’ny vahoaka anareo. Fa ho avy ny fotoana raha sanatria ny vava ka izao no mitohy dia hanjary fomba fanao eto amin’ny firenena izany.”

Mazava fa mirona any amin’ny jadona ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara satria arangaranga hatrany ny fonja rehefa misy maneho hevitra ka mifanohitra amin’izay tian’ny mpitondra fanjakana atao, na ihany koa lazaina fa tsy tia tanindrazana.

Tsapa koa ankehitriny fa misavoritaka tanteraka toy ny mahazatra ny baiko midina avy amin’ny mpitondra fanjakana ka miteraka olana ara-tsosialy, anisan’izany ny fisavorovoroana ara-kevitra eo amin’ny samy mpitondra fanjakana momba ilay COVID-Organics.

Misy dingana maro arahina eo amin’ny famoahana izany fanafody izany kanefa dia toy anaovana hitsin-dalana fotsiny. Ny andininy faha-8 ao amin’ny lalampanorenana dia manambara mazava fa tsy azo atao ny manery ny vahoaka hisotro na handray fanafody rehefa tsy sitraky ny fony.

Vaovao nangonin’i Lanzelo