Marc Ravalomanana – Emission spéciale – Real TV – MBS

6 avril 2020 – Ny Filoha Marc Ravalomanana no vahinin’i Gascar Fenosoa sy Diamondra Andrianaivo:

🤣Eéé, tamin’ny fifidianana anié, raha voalohany nareo, dé zahay faharoa é, raha tsy atao oé voalohany koh aza … Sa tsy marina zany?? (Nihomehy ny iray trano) Hitanao zany?!!!

🤣Santionany fotsiny ireny bidons ireny fa tsisy dikany anie ireny é! Mila mahafantatra tsara fotsiny ny olona, fampianarana ireny, mila madio.

🤣Amin’ny situation exceptionnelle toy izao dia tsy maintsy manao formulation ana stratégie isika, na mamorona paik’ady: transparence, communication, objectif et solidarité.

🤣Izaho dia môdely fotsiny, mampiseho ohatra tsara aho. Fantatro ianareo fa niantso ahy hoe ho avy any. Fa izaho tsy afaka manoatra fa rehefa confinement dia ato antrano aho zay. Strict amin’izay discipline izay aho.

🤣Tsy ny vola no mifehy ny olona fa ny olona no mifehy ny vola. Aoka tsy ny vola no hibaiko antsika fa isika no mibaiko, hampiasa ny vola. Amiko, ny fiarovana ny aina no voalohany.

🤣Lé resaka vaksiny … E e ee Aza ampidirina aty zany. Zah tsy te-hiresaka an’zany mihiiitsy. Tokony tsy avela hanao an’zany handrakandrana izany, eto lasa ny handrakandrana no betsaka. Tsika eto no hanaovan’ny olona cobaye amin’iooo … Resaka be zany. Raha misy miteny any, dia izaho mihitsy, Marc Ravalomanana, président teo aloha, no miteny an’zany fa tsy tokony hanaovana test an’zany ny olona … Asaaa? … Fa raha sahy ianareo dia ataovy, fa zah aloha tsy sahy é

🤣Iza ny tsy mahalala an’i Ny Rado Rafalimanana rey olona a, na ny vavany ary, fa samy manana ny toetrany ny olona ka mba tokony jerena amin’izay angle positif nataony. Mba niezaka ihany izy ny nandeha nankany Ambatondrazaka … Izy efa mba midehadehaka kely iny hoe izaho anie ka ambassa… dia mbola gadraina ihany izy. Lozaaa!!!

🤣Fanagadrana ny mpanohitra: Ny olona tena mahay indrindra dia ny olona mahay mi-rectifier ny tenany, mahay mi-rectifier izay erreurs nataony.
F. Mahatsiaro zany ianao fa erreurs ny nataonao?
V. Rehefa izay zany no ilainao dia erreurs zany ilay izy é.

🤣Mba mitenena ianao ry minisitry ny fahasalamana fa état d’urgence sanitaire anie izy ity fa tsy état d’urgence ana-communication é. Lé any amin’ny communication no lasa mitabataba managadra ny sasany ary, nefa …. lozaaa!!

🤣Afangaronareo ilay fitenenana hoe état d’urgence, ajanonareo eo fotsiny, kanefa hoe momba ny fahasalamana lé izy. Misy olona manana toerana ambony sahy miteny mihitsy, milaza hoe rehefa état d’urgence dia tsy misy intsony ny démocratie … Fa ianao ve marary éé?!!! Sanitaire io fa tsy hoe état d’urgence politique na hoe misy rotaka eto, sanitaire, Noho izany, ilaina ny démocratie handresena lahatra ny olona.

🤣Ôtran’ny tsy tazatazana ny praiministra Ntsay Christian ao anatin’izao raharaha izao … «Koh mihiboka izy koh, mihiboka koh izy. Lahy tokana anie ny aina e!».

🤣Fanagadrana mpanao gazety: Ianareo mpanao gazety no olona tena manahirana indrindra, satria indraindray ianareo namana, fa indraindray ianareo tsy namana mihitsy. Dé ny mpanao politika sahy miatrika mpanao gazety no tena mpanao politika; fa ny olona matahotra mpanao gazety no tena fadiranovana indrindra: inona indray zao no hanontanian’ity ahy avy eo? Inona ndray no hanontanian’lah anah refaveo? Satria nahoana? Satria tsy transparent izy.

🤣Amin’ity état d’urgence sanitaire ity … ny mahavoa ny sasany dia heveriny ho izy irery no mahay lalàna. Ny sasany ary communication no asaina ataony, lasa mananaraotra be dia milaza lalàna foana ny ataony ao.

🤣Rehefa misy ny krizy ohatr’izao dia ny accord politique no ambonin’ny lalàna, ny fifampiresahana ambonin’ny lalàna.

🤣Amin’ity état d’urgence ity, olona iray, ny président an’ny république, no mahazo an’io autorisations io, fa amin’izao dia ny olona manodidina azy rehetra dia miteny daholo zay te-hiteny: adoboy any … adoboy anyy … Ô rey olona ééé!!! Raha mba ianao moh no alefa midoboka ary dé aôna???

🤣Hafatra apetraka: Diniho ihany ny ataonareo, fa ity fiainana ity –tsy hanome lesona aho akory– miodina izy ‘ty. Ianao zao manindry, ianao zao manadoboka, ianao zao no mampiasa zay fahefana eo ampelatananao, fa mbola ho avy ny fotoana, ho avy indray ireny olona ireny.

🤣Tsy tia tanindrana – Raciste? Diso be izany. Amiko, rehefa olona dia olona (…) satria nomen’Andriamanitra fanahy maha-olona azy izy sy maha-izy azy. Ianareo no mahita, nahavita ny lalana nankany Diégo, dé nankany Tuléar, dé nankany Sud-Est iny aho. Izaho anie tsy mila tiavina é, ary tsy ilaina mitia azy, fa rehefa vitako ny écoles, mianatra ny 92% mpianatra zanaka malagasy, omeko zay ilainy izy hianarany, efa vitako ny nanome kubota tany amin’ny faritra Ambatondrazaka iny … izay no mahafaly ahy. Tsy midongy mihitsy hoe tiàvo aho,

🤣Ary mba efa nifampiresaka na dia an-téléphone fotsiny aza ve ianao sy ny filoha teo aloha Ratsiraka @ izao valan’aretina izao? – – – Mbola tsisy, satria samy mbola mihiboka ao antrano daholo aloha izao. Mbola tsisy!

🤣Fanontaniana ENY sa TSIA: Aza antenaina ve ny hiverenan’ny Filoha Ravalomanana eo amin’ny fitondrana?
V. Science ny politique, arakaraky ny contexte, ka tsy hamaly aho na ENY na TSIA, Satria raha hamaly aho hoe ENY, dia potika sy miova daholo ny zavatra rehetra noresahintsika teto satria nen’lé rangahy ‘ty zany dia tena toerana no tadiaviny. Raha hilaza aho hoe TSIA, dia ireo mpanaradia ahy no hilaza rehefa avy eo fa i président ‘ty milaza fa antoko mpanohitra nefa jereo ‘ty ataony!
F. Mbola tsy maka retraite izany?
V. Non, mbola ao tsara aho kah!!!

Source : Real TV
https://web.facebook.com/RealTVcanal30UHF543.25MHz/videos/220595629150921/

FB Mandroso Randria

6 avril 2020 – Ny Filoha Marc Ravalomanana no vahinin'i Gascar Fenosoa sy Diamondra Andrianaivo:🤣Eéé, tamin'ny…

Publiée par Mandroso Randria sur Lundi 6 avril 2020