OJM – Fanamarihana sy fitakiana momba ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa

Manoloana ny namoahan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny “Cellule de Lutte contre la Cybercriminalité” eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina, izay nilaza fa tsy mpanao gazety ara-dalàna ny namanay Rahelisoa Arphine dia mitondra izao fanamarihana izao ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara miaraka amin’ny mpanao gazety maro nifampidinika androany.

Voalohany, mahakasika ny holafitry ny mpanao gazety fa lany daty dia tianay ny manamarika fa ny lalàna 2016/29 dia manambara fa mitohy manao ny asany araky ny andraikitra sy iraka nataony ny holafitry ny mpanao gazetin’i Madagasikara mandra-pisian’ny fifidiana birao vaovaon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.

Faharoa, mahakasika an’i Rahelisoa Arphine, izay lazain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny “Cellule de Lutte contre la Cybercriminalité” eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina, sy ireo mpanao “kaonty fako” miaraka aminy milaza fa tsy mpanao gazety izy dia tianay ny manamarika fa tena mpanao gazety Rahelisoa Arphine, talen’ny famoahana gazety Ny Valosoa Vaovao. Voaporofo ny maha-mpanao gazety azy amin’ny fananana karatra matihanina maha-mpanao gazety amin’io orinasa mpanao gazety io, izay iandraiketany sy iadidiany.

Manaraka izany, ny anaran’i Rahelisoa Arphine dia voarakitra ao amin’ny “Ours” na ao amin’ilay hoe tompon’andraikitra mitantana ny famoahana ny gazety any amin’ilay gazety an-tsoratra.
Diso araka izany ary finiavana hanaovana mandraikiraiky sy mamitaka olona ny filazan’io tompon’andraikitry ny “Cellule de Lutte contre la Cybercriminalité” ao amin’ny ministeran’ny serasera io fa tsy mpanao gazety izy.

Izay no nahatonga ny holafitry ny mpanao gazety hijoro sy hiaro azy amin’ny maha-mpanao gazety azy. Ary amafisina rahateo izany satria rehefa nantsoina hiatrika famotorana eo anivon’ny polisy misahana ny “cybercriminalité” sy ny fampanoavana ramatoa Arphine Rahelisoa dia nantsoin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny polisy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety satria zo nomen’ny lalàna azy izany.

Fahatelo, marihina koa fa fanaovana fanohintohinana ny falalahan’ny fanaovan-gazety ny fihetsika tadiavin’ny ministeran’ny serasera ampiarina amin’ny fampiasàna ireo mpanao “fako” miaraka aminy ao anaty fesiboky.

Tsy marina koa ny filazàna fa ny gazety “en ligne” na eny amin’ny tambazotra serasera dia tsy asa fanaovan-gazety. Ny fesiboky no tsy asa fanaovan-gazety fa ny gazety any amin’ny tambazotra serasera dia asa fanaovan-gazety feno eken’ny lalàna. Anisan’izany ohatra ny “madagascar-tribune.com”, ny “madagate.com”, ny “orange.mg”, ny “moov.mg”. Ireny dia eken’ny lalàna fa asa fanaovan-gazety. Ny “Midi Madagasikara”, “L’Express de Madagascar”, izay mamoaka amin’ny endriny any amin’ny tambazotra serasera dia asa fanaovan-gazety fa azo anaovana fita-bitro. Fitahana ny olona rehefa mitetika ny hamoritra sy tsy hamela ny falalahana ny asa fanaovan-gazety ianareo ministera tompon’andraikitra.

Ny momba ny asa maha-matihanina ny mpanao gazety

Ny karatra maha-mpanao gazety izay manankery amin’izao fotoana izao dia ilay navoaka tamin’ny taona 2018 ho fiatrehana ny fifidianana. Tsy nanaiky nanao izany ary tsy nangataka izany karatra izany ny mpitarika ny MLE, anisan’izany ny ministry ny serasera ankehitriny izay nivondrona tamin’ilay atao hoe “Front de refus contre la délivrance des cartes professionnelles” tamin’izany , satria lazain’izy ireo fa tsy manara-dalàna. Ary anisan’ny olona tafiditra tao anaty ny tsy nangataka karatra matihanina tamin’izany ramatoa Rahelisoa Arphine noho ny firaisankina tamin-dramatoa ministra tamin’izany. Amin’izao mahazo fahefana, miova ny lalany.

Eo anatrehan’izany, tsy fantatra intsony hoe mankaiza ny lalankomban’ity ministeran’ny serasera ity amin’ny fitoriana sy fanenjehana mpanao gazety, izay zavatra tsy zakany fony tany ivelan’ny fitondrana izy. Dia manao fanamarihana ny holafitry ny mpanao gazety sy ireto mpanao gazety marobe vory teto androany fa fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ny hendriny maro lafy eto Madagasikara ny finiavana hanidy ny vavan’ny mpanao gazety ataon’ny ministeran’ny serasera sy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, satria mitaky vaovao amin’ny hendriny maro lafy ny olona hiatrehana ny coronavirus.

Tsy manaja rahateo ny andininy faha-10 sy faha-11-n’ny lalampanorenana io filazàn’io tompon’andraikitry ny “cybercriminalité” ao amin’ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina io fa tsy mpanao gazety ny namanay izay notazomina am-ponja hatramin’ny omaly. Fanitsakitsahana ihany koa ny andininy faha-19 ao amin’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona momba ny falalahana maneho hevitra sy falalahan’ny asa fanaovan-gazety, ary fanitsakitsahana marindrano ny voalazan’ny andininy faha-5 ao amin’ny lohateny faha-2-n’ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana mbola manankery amin’izao fotoana izao ny fanampenam-bava ny mpanao gazety.

Noho izany, mitaky izahay mpanao gazety miaraka amin’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ny amoahana ny namanay mpanao gazety Rahelisoa Arphine any am-ponja tsy misy fepetra ao anaty fotoana haingana.

Antananarivo, faha-5 aprily 2020