Filoha Ravalomanana – Zava-doza ny coronavirus, hidio ny sisintany

Helisoa

Zavadoza ho an’ny mponina eto ambonin’ny tany ny resaka valanaretina CORONAVIRUS . Manoloana izany indrindra, amin’ny maha ray aman-dreny eto amin’ny Firenena ny filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), Marc Ravalomanana dia nanaitra sy nanao Antso avo amin’ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena ny tenany indrindra ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny tokony handraisan’izy ireo andraikitra amin’ny hijerena ny tsy hidiran’io areti-mandoza io eto Madagasikara. Manoloana izany dia tokony hidina ny sisintanin’i Madagasikara, indrindra ho an’ireo sidina avy any Eoropa, izay voakasiky ny CORONAVIRUS.

Ny Mpitondra hoy ny filoha Marc Ravalomanana no tomponandraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny vahoaka. Marefo loatra ny firenentsika manolona izany zava-doza izany, ka tsy maintsy hentitra ny fepetra tokony ho raisina. Ny firenen-dehibe toa an’i Etazonia aza izao hoy izy efa manafoana ny sidina sasany mankany aminy, vola mitentina hatrany amin’ny 8,3 tapitrisa dolara no natokany iadiana amin’ny virus covid-19, izay mitondra ny valanaretina coronavirus, ka aiza ho aiza isika amin’izany, noho izany tokony hatao hatrany ny fisorohana ny tsy hidirany eto.