ALEO MBA HITAMBATRA ALOHA…

Aleo mba hitambatra aloha ny hadalany,
Ary isika aza maika na dodona foana,
Fa io, efa fantatra izay hianjerany:
Tsy maintsy any an-kady fa miandry fotoana.

Ny tanamasoandron’Ambohitrimanjaka,
Santionany iray amin’ireo hagegeny.
Ny arabo ao Mangoky izay nomena laka,
Fantaro fa mbola fanampiny ireny.

Ny eroa Mahamasina izay noravana
Kanefa mirakitra zavatra tsara,
Dia mbola porofon’ireo hadalana
Na koa tsy fahaizana irony tantara.

‘Lay Manjakamiadana asiam-panovana
Dia mbola mitory ny saina misidina.
Ilaina ny resaka sy teny ierana,
Fa tena tsy mety ny lohan’angidina.

…Aleo mbola hitambatra aloha ny haratsiany,
Mba hiavaka tsara sy ho hitam-bahoaka.
Dia aza rarana amin’ny zavatra tiany,
Fa hianjera ho azy ry tsy misy hapoaka.

DADAN’I ZINA (21-02-20)