Faha-60 taonan’ny fahaleovantena – Manomana fifaninanana tononkira ny Foloalindahy

Isambilo

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena amin’ity taona ity, manomana fifaninanana tarakevitra, na tononkira, misokatra amin’ny olon-drehetra manerana ny Nosy ny Foloalindahy Malagasy.

Toy izao ny fepetra amin’izany: ny tarakevitra dia andalana 2 farafahabetsany, hatao amin’ny teny Malagasy ofisialy, misokatra amin’ny olon-drehetra ankoatra ny mpikarakara ny fifaninanana. Ny loha-hevitra dia miompana amin’ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, fitiavan-tanindrazana, fihavanana sy firaisankina, fanavotana sy fanarenana, fandrosoana, Madagasikara ho firenena sangany.

Araka ny fandaminana dia tapa-bolana no faharetan’ny fifaninanana, mahazo sy asaina handray anjara ny Malagasy rehetra ankoatra ny mpanomana ny fifaninanana, maimaimpoana ny fandraisana anjara, ny loka ho an’ny voalohany dia 6 hetsy Ariary (600 000 Ar). Mampiasa valopy ny mpandray anjara: atao amin’ny taratasy A4 ary tsy misy ahafantarana ny mpamorona ny tarakevitra atolotra, (miforitra roa) dia atao anaty valopy A5 mihidy, valopy kely iray kosa asiana ny taratasy ahitana ny: anarana, adiresy, laharana finday ka ampidirina ao anaty valopy A5 voalaza etsy ambony izay efa misy adiresy andefasana azy:
Ministeran’ny Fiarovampirenena
(Fifaninanana Tononkira)
Ampahibe, BP 8 Antananarivo 101
Na haterina mivantana ao amin’ny varavarana faha-109 Ampahibe (Secrétariat du cabinet MDN), fara-fahatarany ny 28 febroary 2020, ny fitomboky ny paositra no manamarina izany.

Ny Komity Teknika Nasionaly Mpanomana ny Fankalazana, tarihan’ny Ministeran’ny Fiarovampirenena no hiandraikitra ny fitsarana ny fifaninanana. Mijanona ho fananan’ny komity ireo sangan’asa rehetra voaray.