Andry Rajoelina – Toa domelina dia domina foana vao manao zavatra

Helisoa

Miaiky ny vahoaka Malagasy ankehitriny, fa tena abobo sy fampanantenana poakaty, no nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra hoe: vao tonga eo amin’ny fitondràna izy dia hiasa mafy hanatanteraka ny tetik’asa IEM tsy hita fototra, fa natao laza masaka hampandriana adrisa fotsiny.

Tonga eo amin’ny fitondràna izy izao, tsy misy tetik’asa mazava fa ohatra ny misavoamboana izay tiany atao no atao no hitan’ny rehetra, ka ny maro amin’izy ireny dia tsy mipaka mivantana amin’ny vahoaka hianjadian’ny fahantrana ankehitriny akory na dia kely aza.

Mikasika ny vahoaka Malagasy tratry ny kere any Atsimo, tsy misy rano sy sakafo, ary hatramin’ny biby aza dia maty mivalampatra eran’ny tanàna. Tsy nivadika atidoha tamin’izany ny fitondràna raha tsy efa mafy be ny fanehoan-kevitra nataon’ny olona tamin’ny tambazotran-tserasera, toy ny facebook. Zao vao mody taitra ka andeha ho any Androy hono ny filoha Rajoelina Andry anio hijery ireo Havana mpiray tanindrazana tratry ny kere any an-toerana.

Dia ohatra izany foana ve, raha tsy domina ve tsy manao zavatra mihintsy? Toa filoha domelina lava tokoa ny filoha misy eto, ka raha tsy domina tsy taitra!