11 febroary – Andro tsy tokony ho hamaivanina amin’ny tranga hafa

Sôh’son

Andro iray manana ny tantarany miavaka eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny tantaram-pirenena mihitsy ny andron’ny 11 Febroary. Andro izay ahatsiarovana ny namonoan’ny fahavalom-pirenena ny olomangan’ny firenena, ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 Febroary 1975. Olona izay tsy niroa fo tokoa hikatsaka marina izay hanandratana ity firenena ity sy ny vahoaka eo aminy. Hita sy tsapan’ny vahoaka Malagasy izany tao am-po sy sain’io olomangany io ary tsy atao ho mahagaga raha niray fo tanteraka taminy izy ary latsa-dranomaso sy nitomany tamin’ny nahafatesany. Sarotra ihany ny hahitana olon-kafa eto amin’ity firenena ity, eo amin’ny fitondrana, hitomanian’ny vahoaka marobe sy alahelovany fatratra toy izany raha mody mandry.

Voarakitra an-tsoratra ny momba ny niandohan’ny kolonely hatramin’ny nanendrena sy nahatonga azy teo amin’ny fitondrana. Fantatra ny foto-keviny izay miavaka tokoa ary ninoana fa nahatafavoaka ity Madagasikara ity hisandratra ara-pandrosoana. Tao anatin’ny fomba fiasany na mbola izy minisitra na filoham-panjakana no nahatarafana fa misy sokajin’olom-bitsy tsy hahazaka ny politikany satria voatohintohina ny tombontsoany. Ireo olom-bitsy ireo anefa no mikatsaka ny handroba ny firenena teto ary higalabona samirery izany. Avy amin’ireo no anisany nifofo ny ainy na dia tsy mivoaka sy afenina fatratra aza ny marina momba izany. Nahoana no ezahina afenina sy takonana fatratra io marina io? Ilain’ny vahoaka ny hahafantatra izany satria nandratra azy.

Tsy tokony hafangaro amin’ny tranga hafa ny andro nahafatesan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Manana ny maha izy azy loatra izany lehilahy izany ary tsy misy toa azy hatreto ny eo anivon’ny foloalindahy Malagasy. Nampiavaka azy tamin’izany fotoana fony izy ministry ny atitany ny fandaharana Ala Olana tao amin’ny Radiom-pirenena, nitetezany an’i Madagasikara ary nahitany vaha-olana avokoa ireo olona nolazain’ny vahoaka taminy tamin’izany fandaharana tao amin’ny onjam-peom-pirenena izany. Izay indrindra no tsy tokony hampifangaroana io andro io amin’ny tranga hafa teto amin’ny firenena satria karazany miendrika ny hanao izay hanakonana ny olon-dratsy eto amin’ny firenena izany sy hampilamina azy any ambadika any kanefa nahavita heloka bevava eto amin’ity firenena ity. Ho lasa hanamaivana ihany koa ny andro 11 Febroary 1975 tokony homen-danja manokana no ahiana amin’izany. Aoka tsy hosarontsaronana ny asa ratsin’ny mpanao politika maloto tamin’io andro iray io.