11 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao sy ny mpamaky azy ary ho an’ireo rehetra izay iantefany izao manaraka izao mba ho LAKOLOSY FANAIRANA.

Arabo sy 60000ha any Bas-Mangoky.

Voalaza izany fa :
– “ni vente, ni location” (= ni achat, ni donation) .
– Tsy misy mivoaka an’i Madagascar ny vokatra: vary, katsaka, kabaro, varimbazaha,….
– Partenariat WIN-WIN.

Misy mazava aminareo ve izany fanazavana izany e? Sao zah no fohy fisainana fa ampio aho.
– Inona izany ny statut handraisan’ireto arabo ireto an’io tany io mandritra ny 30taona (farafahakeliny).
– Amin’ilay WIN-WIN, inona izany no tombontsoa azon’ireto arabo ireto marina? (ny tany tsy amidy, tsy ahofa, tsy omena azy, ny vokatra ho an’ny malagasy daholo).

Dia tena favy amin’ny négoce zany reto mpitondra ireto kah, ary honnête fa avoakany amin’ny malagasy amin’ny anaran’ny mangarahara ny votoatin’ny fifanarahana!

TSARA FANTATSIKA anefa fa efa nataon’ireto arabo ireto izao tany Afrika fa tsisy WIN-WIN zany tany, fa korontana sy ady an-trano no naterany (NB: tany izy nandoa 1$/m2). Saika hanao hanao projet toy izao tany Indonésie koa izy ireo, fa tsy nanaiky ny tany, nefa izy samy musulman. Tozoro Afara aho fa mba omeo fanazavana.

Hery Lanto Voninahitriniaina
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao