Lemak’i Betsimitatatra – Manamafy ny fanoherana ny fanotofana ny tanimbary ny mponina

Helisoa

Mitohy hatrany ny hetsika tsy fanekena ny fanotofana ny tanimbary eo amin’ny lemak’i Betsimitatatra, ataon’ny mponina eny an-toerana sy ny manodidina, izany hoe ireo mponina eny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny sy ny manodidina. Nifamotoana teo amin’ny fefiloha Anosivita ireo vahoaka tsy manaiky ny fanotofana ny tanimbary eo amin’ny lemaka Betsimitatatra amin’ny Kaominina Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Fiombonana ary ny Fokontany Anosibe Zaivola ny sabotsy teo.

Tonga nanotrona sy nampahery ny vahoaka teny an-toerana ny MONDE JUSTICE tarihan- dRamatoa Arlette RAMAROSON sy Andriamatoa James RATSIMA sy ny solontena ara-dRazana eto Antananarivo. Ity farany nanao antso avo ny hitsanganan’ny Andriana manerana ny Nosy manoloana ny fakana ankeriny ny tanin’ny Malagasy, tsy eto Analamanga ihany no tokony fanoherana hoy izy fa tokony hatao izany manerana ny Faritra 22.
Ny hetsika teny Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo.