MIAKATRA NY MARIPANA

Jaroslaw Kwoczala

Miakatra ny maripana, mihamitombo ny hatezerana,
Noho ny ataon’ireo mpitondra, jamba sady bemarenina.
Toa ny “lohany” mihitsy no efa miharatsy toerana,
Noho ilay izy tsy azo ahitsy sady sarotra tenenina!

Tena odiany tsy jerena ireo vahoaka izay mijaly,
Fa dia ny heviny hatrany no tereny mba hoekena.
Tsy tadidiny akory ireo kabariny omaly
Tamin’ny fampielezan-kevitra ny ho filoham-pirenena!

Izay mba vonona hijery sy hanampy ireo tra-boina,
Toa an-dRavalo sy Rafaly dia niniany nosakanana.
Izy ihany no miseho ho sady miantso no manoina.
(Giazany ho azy irery ny fanaovan-tolotanana!)

…F’efa tena lany lainga ny ao anaty fitondrana,
Ka dia izy irery ihany no manao izay hisehoana.
Herintaona dia efa reraka, reraky ny hadalana.
Tsisy zavatra manjary fa indreo manaonao foana!

DADAN’i ZINA (05-02-20)