Tsaravary Mananjary – Mitsipaka ny voka-pifidianana ben’ny tanàna ny vahoaka

Niaina
Mitsipaka ny voka-pifidianana ben’ny tanàna, sy mpanolotsaina farany teo ny any amin’ny Kaominina Tsaravary, any amin’ny distrikan’i Mananjary, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Mitohy hatrany ny hetsika ao anivon’ny kaominina nohon’ny tsy fankasitrahan’ny vahoaka ny didy navoakan’ny Tribunal Admnistratif et Financier, tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ara-bola any Fianarantsoa, satria mahatsiaro ho very zo tsy voahaja ny safidin’izy ireo. Maninona hoy ireto vahoaka ireto no tsy teny ampiandohana dia no- “disqualifier-na “, na nahintsana izy, fa niandry azy lany nandresy fanindroany, ny kandida natolotry ny fanjakana vao nofoanana ny vato azony. Efa hatramin’ny ela ny Ben’ny Tanàna RASOAZANANY Yvette, no iharan’ny herisetra nefa dia mbola lanim-bahoaka indray, noho ireo asa vitany toy ny: Hopitaly, tranom-pokonolona, biraon’ny kaominina vaovao, sosialim-bahoaka, izay tena nanavotra olona maro, fanaovana wc public ary indrindra ny fampidirana jiro eo enivon’ny kaominina, ka nahitany vahaolana.

Manao antso avo any amin’ny Conseil d’Etat, na Filankevi-panjakana, izay nampiakarana ity raharaha ity ny vahoaka, fa tsy hanaiky hatramin’ny farany, raha tsy ny olona mamin’izy ireo no hitondra azy ary mandiso tanteraka ny vaovao tsy marina, izay lazain’ireo olona mpomba ny kandida izay tsy lanim-bahoaka izy ireo. Olona milaza ho tia fahamarinana ianao Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina hoy ny fanambarana, ka manantena ny fijerenao akaiky ny raharaha ny vahoaka, miandry am-pilaminana izy ireo, miaro ny safidiny hatramin’ny farany. “Entanina ny rehetra mba samy tsy hihaino feon-dakolosy tokana, satria ezahan’ny sasany afenina ny marina tahaka izao. Tany tan-dalàna i Madagasikara, fa tsy hoe izay mahay lalàna, na manana fahefana dia ambonin’ny lalàna, koa aoka hanjaka ny demokrasia”, hoy ihany ny fanambarana avy amin’ireo vahoaka any Tsaravary Mananjary.
Sary MANANJARY: Ny hetsika nataon’ny vahoaka tany Tsaravary Mananjary.