Firenena malagasy – Anjakan’ny vahiny tanteraka ny fianampirenena

Helisoa

Diso fanantenana ny vahoaka Malagasy raha mijery ny zavatra ataon’ity fitondràn-dRajoelina ity . Nanantena mba hoe ho any amin’ny fiainana tsaratsara kokoa raha naheno ny fampielezan-kevitra nipoapoaka, kanjo inona no niseho fa tsy ny mifanohitra tamin’izany.

Nilaza ny filoha Andry Rajoelina tamin’izany fa tsy hanototra tanimbary na iray metatra aza rehefa tonga eo amin’ny fitondràna ary tsy haka ny tanin’ny Malagasy. Inona no miseho ankehitriny? omena ny Arabo ny 60000 ha izay vao vita sonia ny herinandro lasa teo, misy koa ny tany omena ny maorisiana, Tanamasoandro, sns… izay tany fiveloman’ny vahoaka Malagasy avokoa.

Poretina ny Malagasy ankehitriny hiala amin’ny tanindrazany; ka hafindra any an-toeran-kafa. Raha eo amin’ny lafiny fandraharahàna indray dia anjakan’ny vahiny tanteraka. Ny mpandraharaha Malagasy mamokatra vokatra Malagasy, mamelona mpiasa marobe mivantana sy ankolaka tsy omena laka fa hanaovana antsojay. Vao tsy ela akory, fa soa fa tsy neken’ny solombavambahoaka ny saika hampiakarana ny hetra ho an’ny fanodinana savony, raha tsy hanambara afa-tsy izay isika.

Eto dia manahy ny vahoaka Malagasy, fa ho lasan’ny vahiny ambongadiny i Madagasikara raha izao no mitohy .