Hosoka sy hala-bato – Mahatsikaiky ny fanadiovantenan-dRajoelina

Ny Valosoa

Nofoanana hoy Ingahy Filoha ny fifampiarahabana fanao teny amin’ny Lapampanjakana Iavoloha, fa mandany vola hono, ny vokatr’izany anefa dia mbola tonga mandadilady miarahaba an’Ingahy filoha ihany ireo andrimpanjakana sy rafitra isankarazany, ka vao mainka miteraka fandaniana ho an’ireo mpamangy izany satria ,tsy maintsy mamorona fanomezana ho an’Ingahy Filoha ireo mpitsidika ary ilay vangiana koa, tsy hitazam-potsiny, fa hanolotra izay azony aroso , azo antoka fa tsy vola am-paosiny no miala amin’izany, fa volambahoaka kanefa, mazava fa ny fanomezana dia ho azy madiodio, ary ny azo ambara ihany koa dia fantatr’Ingahy Filoha avokoa izay nanome sy tsy nanome solombodiakoho ary tsy misy miafina aminy hatramin’ny sandan’izay natolotra.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny mikasika izay fifamangiana izay, fa ny tiana anaovana fanamarihana, ny mikasika ny famangiana nataon’ny Vaomierampirenena « Mahaleotena » momba ny Fifidianana na Ceni , satria nilaza tsy nanontaniana Ingahy Filoha nanadio tena , fa tsy nampangalabato ny Ceni hono izy ary efa ela hono izy no tsy nihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Ceni, fa tamin’ny fahatongavan’izy ireo niarahaba azy indray vao nifankahita ry zareo.

Mahatsikaiky ilay fanadiovantena, satria angaha moa mila mifanatritava amin’izao fotoana izao rehefa misy tiana ampanaovina, fa tsy efa misy ny fitaovantserasera ahafahana mampita ny baiko tiana tanterahana, fa ny tena mampihomehy ihany koa momba ilay tenin’Ingahy Filoha voalaza tetsy aloha hoe tsy nampangalabato hono izy, ka ilay tsy nampangalabato no tena namafisiny fa toa milaza ambadika izy hoe nangalabato ny Ceni, fa tsy izy no nampanao azy.

Ny tsy takona afenina aloha dia nisy ny hosoka tamin’ny fifidianana nifandimby ary tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ny Ceni indrindra fa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo, ka nampibaribary ny fanovana ny lisi-pifidianana, ny tiana asongadina dia tsy mahaleotena izany ny Ceni fa miankina tanteraka amin’ny rafitra mpanatanteraka.