MPITONDRA MATY AM-PITSANGANANA

Ny mivarotra no hain’ireo mpitondra ankehitriny.
Indreo mitohy ny hadalany tamin’iny lalana iny.
Maika ny hahazo vola, hisehoana sy hilibana,
Dia tetehiny hamidy na ny an-tsaha na ny an-tanàna.

Tsy voambolana ampiasainy izany hoe “mangarahara”.
(Efa ho lafony ambongadiny ito Madagasikara!)
Volabe no re fa azony saingy tsy hay izay niaviany,
Tsy hanasoavana vahoaka fa hanaovany izay tiany!

Ny vahiny no manjaka sady mihamahazo laka,
Fa ny teratany kosa, mihaosa, tsy mitraka.
Izay mijoro mba hiaro ny vahoaka sy ny taniny
Dia anaovana antsojay no sady tena ilàna vaniny.

“Fivarotan-tanindrazana”, izany izao no laza adina,
Ary vaovao manaitra sady tena misongadina.
Ny mpandray anjara fototra amin’izany rehetra izany
Dia ireo tia vola maloto: ny mpitondra hatrany hatrany.

Toa milamina ny sainy, ka dia sahiny dia sahiny
Ny mivarotra ambongadiny, eny, hatraminny fanahiny!
Ireo ilay azo sokajiana ho efa “maty am-pitsanganana”
Ka ny handevina azy sisa no ilàna fanentanana.

SEDERA RAVALISON (20-12-19)