Raharaham-pirenena – Ny bakalorea aza nandraisana fepetra, mainka fa ny hosoka sy hala-bato

Ny Valosoa

Tao anatin’ny 11volana nitondran’ny filoha ankehitriny ny firenena, dia maro ireo karazan-kosoka niseho : na io fanadinana, na io fifidianana, na endriny hafa…

Volana vitsivitsy izay dia nisy ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo, hosoka tsotr’izao no filaza izany ary tompon’andraikitra tsy afamiala amin’izany ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, miampy ireo nikirakira ny laza adina tany amin’ny ambaratonga samihafa . Nitabataba ny « SECES »na ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka teny amin’ny Ambaratonga Ambony, fa tokony ho foanana ny fanadinana vita ary averina manontolo, nitsipaka tanteraka izany Ramatoa ministra miadidy ny fampianarana ambony ary nanizingizina mihitsy, fa izay vita dia vita tsy misy ny ankamerina ; saingy tsy izy no tompon’ny teny farany, satria nanao sarintsarina valandresaka tamin’ny mpanao gazety Ingahy filoha Rajoelina ny Alahady alina taorian’ny nitrangan’ny olana, ka tamin’izay no nanambarany fa hisy ny fihodinana faharoa amin’ny fanadinana bakalorea, dia natao tokoa izany ary vita ilay fihodinana faharoa.
Fa mbola manandanja noho ny fanadinana bakalorea ny fanadinana fandraisana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra, raha atao mahitsy kokoa dia ny fifidianana farany teo no tian-ko lazaina. Ireto no fepetra hentitra tsy maintsy mazava : tokony hifanaraka amin’ny lalàna avokoa, na ny lisi-pifidianana, na ny fihetsik’ireo manampahefana mikirakira ny fifaninanana, ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia tsy tokony hanao fitokanana intsony ary indrindra indrindra dia tokony hanakombombava fa tsy hitsaontsaona hanao fanambarana, izay fihetsika mifanipaka tanteraka amin’ny voalazan’ny lalampanorenana.

Ny zava-nitranga dia tsy takona afenina fa dia tsy ara-dalàna ilay lisi-pifidianana fa nasiam-panovana, ireo mpikirakira toy ny « Ceni » na dia efa nokaramaina volabe aza dia tsy nanao ny asany ara-dalàna ary mpiray tsikombakomba ny fokontany tamin’ny fanovana tsotr’izao ilay lisi-pifidianana, Ingahy filoha nanararaotra toy ny banga mihomehy alina nitokana ny zava-bitan’ny filoha Rajaonarimampianina, sady nanao fanambarana ny 25 Novambra 2019, manitsakitsaka ny lalàna velona eto amintsika sy mametraka azy ho toy ny kandida, fa tsy filohampirenena, izany rehetra izany dia mampiseho, fa nisy ny tsy fanarahan- dalàna tamin’ilay fifidianana.

Fa ny zava-dehibe tsy azo amaivanina dia ny fandraisana fepetra hentitra avy amin’ny fitondrana, namerina eo amin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny Samva, sady nisy ny fanolorana fitaovana goavana toy ny fiarabe mpaka fako 35 sy dabampako 175, sy kojakoja maro ho an’ireo mpiasa manao ny asa fanadiovana.

Noho ireo antony lehibe ireo dia rariny raha ben’ny tanàna voafidy tamin’ny fomba madio sy tsisy hosoka no hitantana ireo fitaovana izay novidiana tamin’ny hetra naloan’ny vahoakan’Antananarivo ireo, sy hifehy ny Samva, ka samy handray andraikitra mifanaraka amin’izany na ny ” tribunal admnistratif”, na ny vahoakan’Antananarivo amin’ny fahasahiana mijoro mitaky ny marina, satria ny fanadinana bakalorea aza nandraisana fepetra rehefa hita ny porofo tamin’ny fisian’ny hosoka, mainka fa fifidianana goavana izay mibaribary tsy takona afenina ny tsy fahalavorariany.