Magro Behoririka – Hisy fanambaràna lehibe ny sabotsy izao

Helisoa

Nanambara ny kandida Rina Randriamasinoro tamin’ny fihaonan’ny vahoaka mitaky ny Fahamarinana ny sabotsy 17 desambra lasa teo, fa tsy hitazona ny vahoaka ela ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny tenany, nefa kosa miandry ampitoniana ny toromarika avokoa isika hoy izy, satria fisaka ny marina ka saro-tadiavina.

Mitady ny fahamarianana isika hoy izy, fa tsy mpanongam-panjakàna. Noho izany, ny sabotsy 21 desambra ho avy izao dia hisy ny fihaonana lehibe hatao ao an-toerana manomboka amin’ny 11 ora atoandro, izay hanentanana ny rehetra mangetaheta fahamarinana eto amin’ny firenena araka ny fanambaràna nataon’ny mpikarakara . Ao anatin’izany hoy izy ireo dia hisy ny fanambaràna lehibe mikasika ny ho tohin’ny tolona am-pilaminana izay ataon’ny vahoaka hoy hatrany izy ireo, momba ny fitakiana ny hivoahan’ny marina amin’ny fifidianana.

Araka izany, ao amin’ny Magro Behoririka indray izany no hirodorodo ireo vahoaka mitaky ny fahamarinana ny sabotsy 21 desambra 2019 ho avy izao. Ao aloha ny toerana amin’io andro io, fa ho hita eo ny toerana hanaovana ny hetsika amin’ny manaraka.