CENI – Hikiribiby hamoaka voka-pifidianana tsy manjary

Helisoa

Re ankehitriny fa hikiribiby hamoaka voka-pifidianana vonjy maika sy tsy ofisialy ihany ny CENI, ho an’ny Faritanin’Antananarivo ny alatsinainy 9 desambra 2019 ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia na maro be aza ny zavatra tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana ben’ny tanana ny 27 novambra lasa teo, na azo lazaina fa tsy manjary aza izany fifidianana izany.

Hita mibaribary ny nikitihana ny lisi-pifidianana izay nahavery zo mpifidy marobe araka ny fanambaràna nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) nandritra ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foibentoeran’ny antoko TIM, Bel’Air Ampandrana ary porofo efa amin’arivony no hita mahakasika izany. Nisy ny noesorina tao anaty lisitra ny anarany, nisy ihany koa ny nifanohitra tamin’izany satria nampidirana naran’olonkafa nisolo toerana azy ireo.

Nangataka ny kandidà hanaovana fampitahana ny lisitra nifidianana depiote sy ny lisitra voasonia nifidianana ben’ny tanàna. Fandàvana hatrany anefa no nasetrin’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity ny fangatahana nataon’ny TIM, satria tsiambaratelo hono ny lisipifidianana fa tsy natao ho an’ny be sy ny maro. Atsipiny any amin’ny hafa tao anatin’izany ny tsy fahombiazany amin’ny famaliana miharo hatezerana. Re hatramin’ny teny tsy voahevitra hoe hampanao fanadihadiana hono!

Raha ny tena marina dia ny CENI mihitsy no tokony hanao fifonana faobe amin’ny vahoaka Malagasy satria fototry ny korontana tamin’ny fifidianana nifanesy teto. Tsy afa-manoatra tamin’ny resaka basy marovava sy ny be baoty ary ny “azo raisina fa tsy mitombona” ireto farany, ka nangina. Misy farany anefa ny zavatra rehetra fa ny vahoaka kosa tsy hiharitra ny maimbo mandrakizay eo.