28/11/2019 – 23:00: Tanjombato, bileta tokana tratra narian’olona voamarika amin’ny kandidàm-panjakana n°3

Fokontany Ambala Atsimo, androany tamin’ny 8 ora maraina no nahatratrarana bileta tokana maro voamarika amin’ny kandidà n°3 miaraka amin’ny fanjakana. Sonia mitovy daholo no tao ambadika.

Narian’ireo voairaka ireo bileta tokana satria tsy nahaloa vola ireo mpampikarama amin’ny fangalaram-bato.

Nangonin’ny mponina ireo bileta ireo ampisehoana fa maloto ny fifidianana tao Tanjombato.