Fanomanana hala-bato – Antso avo ho an’ny CENI – QG TIM Belera

Ny antoko TIM manoloana ny fikasàn’ny sasany hanao indray fangalaram-bato amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ho avy izao dia manao izao fanambarana izao:

Araka ny andininy fahatelo amin’ny didim-panjakana 2019-1540 tamin’ny 14/08/2019 izay miantso ny olona hifidy dia ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny faha-15 Mey 2019 nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ihany no hany manan-kery amin’izao fididianana kaominaly sy monisipaly ho avy izao. Noho izany:

1- tsy azo ovàna na kitihina na ampiana na analàna io lisitra io;
2- tokony hitovy tanteraka arak’izany ny isan’ny mpifidy nofaranana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny isan’ny mpifidy amin’ny lisitra ampiasaina amin’izao fifidianana kaominaly sy monisipaly izao isaky ny birao fandatsaham-bato;
3- fantatra fa maro ny sefom-pokontany nosoloina mba hampandany ny kandidàm-panjakana ka ampiasa ny maha-“agent électoral”-n’ny CENI azy ireo hanova ireo lisitra ka hanala na hanampy anaran’olona ao aminy;
4- eo am-pelantanan’ny antoko TIM ny lisi-pifidianana nampiasaina isaky ny bureau de vote ka tsy maintsy hisy ny fampitahana izany amin’ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo, ka ho fantatra mazava tsara ny anarana sy ny isan’ny nampiana na nanalàna raha misy izany;
5- betsaka ny nomeraona karapanondro mitovy miverimberina kanefa misoratra amin’olona samihafa, koa manoloana izany dia mampitandrina ireny olona mampiasa ireny karapanondro hosoka sy sandoka ireny ny antoko TIM ho entina hifidy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy fa ananana daholo ny anaran’ireo satria hita ao anaty ny lisi-pifidianana eto am-pelantanan’ny antoko izany;
6- misy ihany koa mpifidy voasoratra anarana amina biraom-pifidianana samihafa sy maromaro ka mihevitra ny hifidy any amin’ireny birao samihafa ireny; ananan’ny antoko koa ny anarana sy ny adiresy misy azy mba hanamora ny fitoriana azy ireny;
7- mety misy alaim-panahy hampiasa bulletins pré-cochés nefa araka ny andininy faha-151 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 izay mametraka ny fitsipika ankapobeny amin’ny fifidianana sy fitsapan-kevimbahoaka dia tsy maintsy ahitàna sonian’ny mpikambana roa ao amin’ny birao fandatsaham-bato ao an-damosin’ny bulletin unique ka ny fampiasàna bulletin tsy ahitàna ireo sonia ireo dia hosoka ary sazinin’ny andininy faha-230 amin’io lalàna io;
8- araka ny andininy faha-35 amin’ny didimpanjakana 2019-1541 tamin’ny 14/08/2019 mametra ny fomba fanatanterahana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia stylo à bille bleu na lavatondro ihany no manankery amin’ny fametrahana ny safidy; tsy manankery araka izany ny bulletin unique ahitàna soratra na marqueur na stylo feutre.

Koa eto izany izahay dia manao antso avo amin’ny CENI. Iangaviana ny CENI sy ireo ratsa-mangaika miaraka aminy mba handray ny fepetra haingana hisorohana ny hosoka sy halabato mety hitranga, ary hijanona ho mahaleo tena tsy hiandany na amin’iza na amin’iza.

Natao teto Antananarivo androany faha-26 Novambra 2019

(dikanteny malalaka nataon’i Lanzelo avy amin’ny horonantsary)

Santionany amin’ny anarana miverimberina