Fifidianana kaominaly – Mandika lalàna foana ny fitondrana sy ny IRK

Ny sary manaporofo ny fandikan- dalàna ataon’ny kandidàn’ny IRK eny Talatamaty sy Ivato (15/11/2019)

Rajaonarimpanontsana

Matahotra ny tsy ho lany ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny vondron’antoko IRK sy ny fitondrana ary ny mpanohana azy dia manaotao foana hatrany. Vao tamin’ny herinandro teo dia tsy tahotra tsy henatra fa miara-mivory ny Préfet , ny sefo Distrika, sefo fokontany ary ny kandidan’ny IRK any amin’ny faritra maro. Fandikan-dalàna tsotra izao izany satria tsy azo atao mihitsy ny solontenam-panjakana manohana kandida, na miara-mivory na inona antony.

Raha tena ampiharina tokoa ny lalànan’ny fifidianana dia azo ataon’ny CENI sy ny rantsa-mangaika misahana ny fifidianana tsara ny manala an-daharana ireny kandida ireny ary ireo solontenam-panjakana kosa dia handraisana fe-petra ihany koa. Mialohan’ny fifidianana no itrangan’izany fandikan-dalàna izany ary ireo kandida mpifanandrina amin’ny IRK dia tsy hipetra-potsiny manoloana ity fandikan-dalàna ity. Efa niteny mafy mantsy izy ireo sady nampitandrina fa tsy hanaiky velively ary tsy tompon’antoka amin’izay mety ho vokatr’izany.

Efa leom-boananana tokoa mantsy ny mpifidy, ka tsy hanaiky intsony izay endrika fangalaram-bato an-kolaka izay. Na inona na inona ambara dia tsy misy tsy mahalala ny fomba ratsy nataon’ny vondron’antoko miaradia amin’i Andry Rajoelina. Efa nataon-dry zareo io nandritra ireny fifidianana filohampirenena, solombavambahoaka ireny dia izao tohizany amin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ity indray. Etsy ankilany, na mametraka vatofototra hanamboarana kianja manara-penitra aza dia tazana eny koa ireo kandida IRK hilatsaka hofidiana.

Ny ahiahin’ny be sy ny maro , na dia nanambara aza ny avy eo anivon’ny CENI, fa tsy misy fanovana na fanampiana ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, dia tsy nisy maty mihitsy izany nandritra izay fotoana izay , sanatria tsy maniry fahafatesana fa fomban-javatra tsy azo ihodivirana izany. Sa mbola ampiasaina amin’ny zavatra hafa koa? Mampiahiahy avokoa izany rehetra izany, fa dia aleo hanao eo ihany, ho hita, hoy izay fitenenana izay.