Tsy voavahan’ny fitondrana Rajoelina Jiro, rano, solika, fananantany, tsy fandriampahalemana,…

Andry Tsiavalona

Efa lasa tandra vadin-koditra eo amin’ny politisiana gasy rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny manilika ireo tomponandraikitra ambony any amin’ny departemanta isan-tokony any.

Folo volana izao no nitondran-dRajoelina Andry sy ny ekipany ny Firenena. Na tiana na tsy tiana kosa anefa dia efa folo taona izy no teo amin’ny fitondrana satria niara-nitantana tao amin’ny tetezamita ihany izy ny ekipan-dRajaonarimampianina Hery. Tsy idirana ny disadisa noho ny fanilihan’ity farany ny sasantsasany tamin’ireo samy tao amin’ny tetezamita rehefa tonga teo amin’ny fitondrana izy. Ny Praiminisitra Ntsay Christian moa no marimaritra niraisana taorian’ireny tolona nataon’ny solomabavambahoaka 73 nanomboka ny volana aprily 2018 ireny. Satria Rajoelina Andry no nanolotra ny anarany tamin-dRajaonarimampianina Hery dia lôjika loatra raha mbola izy ihany no notazonin-dRajoelina Andry rehefa nambara fa lany ho filohan’ny Repoblika izy. Raha mandinika isika dia vitsy ihany ireo mpikambana tao amin’ny governemanta Ntsay Christian no nesorina teo amin’ny toerany, indrindra ireo avy amin’ny antoko politika toy ny an’ny Tim sy ny Hvm. Mazava ho azy fa ara-politika moa ny fanendrena fa tsy misy mijery izay traikefa ananana sy fahaizana manokana momba izay sehatra anendrena azy. Amin’izao fotoana izao dia misy tomponandraitra any amin’ny departemanta any tsy mahavaha ny olana misy eo anivon’ny toerana nanendrena azy. Iaraha-miaina izao ny olana goavana misy eo anivon’ny jiro sy rano ary ny solika.

Tsy ao amin’ireo sehatra ireo ihany anefa no misy olana tsy voavaha fa anisan’ny mavaivay ihany koa ny sehatra fananantany sy ny tsy fandriampahalemana. Volana vitsy lasa izay dia niaraha-nahita ny olana ara-tsolika. Nalaky tonga moa ilay sambo goavana mpitatitra solika, ka voavaha ihany ny olana izay saika niteraka savorovoro satria dia filaharambe tsy nisy toa azy no hita teny amin’ireo toby mpaninjara. Naterak’izay ny fanasaziana ireo orinasa mpamatsy Total sy Jovena izay voapangan’ny fitondrana fa tsy nanatanteraka, na ninia tsy nanafatra ara-dalàna ny andraikiny. Toa nanapa-kevitra ny fitondrana taorian’iny tranga iny fa handray an-tànana mivantana ny fanafarana solika. Tsy hiresaka lava momba ny olana eo amin’ny fanotofana tany eny Ambohitrimanjaka sy ny tsy fandriampahalemana satria mbola ho ela vao hisy vahaolana satria tsy manaiky ny mpomboly eny amin’iny toerana andrefan’Iarivo iny ary isan’andro vaky izao dia tsy maintsy misy tranga vono olona sy fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa. Ny tena olana goavana eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao dia ny rano sy ny jiro izay mampitsangam-bolo ny mpitondra mihitsy.

Araka izany dia misy “rivodoza” mitsoka ao amin’ny orinasam-bahoaka Jirama, ka vao andro vitsy, araka ny iaraha-mahalala no voadaka teo amin’ny toerany ny minisitry ny angôvo sy ny rano ary ny akoranafo. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa tale maromaro koa no voatsoka satria azo antoka fa ekipan’ny minisitra matoa nampanarahana ny diany. Tsara ho marihana fa ilaina tokoa ny maripahaizana na diplaoma eo amin’ny sehatra tsirairay avy, saingy tsy ampy izany satria manana ny tantarany sy ny olana ary ny dingana nandalovany avokoa ireo sehatra ireo ka tsy olona mpiavy (arriviste) tsy mahafantatra na inona na inona no hampiandraiketana sy hitantana ireo sehatra ireo. Tsy nahavaha olana ny minisitra sy ny ekipany, ka voatsoka daholo saingy raha tendritendrena noho ny maha mpinamana na mpiray antoko fotsiny no mbola entina manendry dia ny omaly tsy miova ihany no iainana eto amin’ity Nosy ity. Raha ny mpiasa eo anivon’io departemanta io moa dia tsy afaka hanao na inona na inona satria efa mahazatra ilay hoe “izay tonga eo tompoina”, na “tsy mampiova ny karamako na iza na iza voatendry” na dia fantatr’izy ireo izao aza fa tsy hahavaha olana izay voatendry. Izay no tsy itovizan’ny gasy amin’ny vahoaka atsy Afrika sy Amerika latina. Raha tsy voavahan’izay tomponandraikitra ho voatendry ao anatin’ny fotoana fohy ity olana eo amin’ny jiro sy ny rano ity dia asa raha mbola hitombina ihany ny hoe: “gasy mahari-pery”?