Tsy rariny intsony – Mivadika « orange » ny lokon’ny ranon’ny Jirama

Sary nindramina (actutana.com) Rano Jirama lokomboasary

Soh’son

Vao mamaha ny robinet-dranon’i Jirama dia ranom-potaka toy ny miloko volon-daoranjy na “orange” no mipoitra avy any. Izany no mitranga amin’ny fokontany maromaro no itrangan’izany eny amin’ny faritra iva. Hatezerana ny an’ny mpanjifa, fa izao angaha no nifanarahana handoavam-bola isam-bolana? Tsia, fa rano madio fisotro no tadiavin’ny vahoaka, ary tsy tokony hijaly amin’izany velively. Raha ny fijerena ny ezaka dradradradraina atao ankehitriny dia toy ny hivaha ery ny olana amin’ity rano fisotro madio ity. Tsy izany anefa no mitranga amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny efa tsy fahampian’ny rano vatsiany dia izao mbola misy halotoana izao ny rano avy aminy.

Tsy rano ihany, fa ny jiro ihany koa tena mahatsiravina ny mpanjifa mihitsy amin’izao fotoana izao. Isan’andro isan’andro tsy maintsy tapatapaka farafahakeliny in’enina ary tena ao amin’ny fotoana ilan’ny mpanjifa azy no tapaka lava. Ho zarina amin’ny fiainana kimaizimaizina koa ve ity vahoaka an’Antananarivo ity? Nanakianana ny fitondrana teo aloha ireo olona eo amin’ny fitondrana ankehitriny io delestazy io, izay nanome telo volana ny hahavaha izany. Iaraha-mahita tsara anefa izao, fa 11 volana aty aoriana ny naha teo amin’ny fitondrana tsy mbola mivaha ny olana amin’ny famatsiana jiro eto Antananarivo sy ny manodidina.

Raha tena mahavita ary ity fitondrana Rajoelina ity dia misehoa indray manolo ny zavatra simba any amin’ny mpanjifa noho ny fahatapatapahan’izay famatsiana jiro izay. Rehefa tsy ahavita dia aza avo vava indrindra ireo mpanohana sy mpisolelaka aminy rehetra. Ny zava-droa iankinan’ny fiainam-bahoaka andro aman’alina ity no olana lehibe tsy voavaha, izay no zava-misy ankehitriny, dia aoka hiaiky ny halemena sy tsy fahombiazana. “Tsy halohalika intsony ny ranom-bary, fa efa an-tenda mihitsy ny ranon-diky”, hoy ny olom-pirenena mpanjifa tezitra mafy.