Fanadinana bacc 2019 – Tsy mbola nisy ohatr’ity hatrizay nanaovana e!

Ny Valosoa

Tena tanteraka ara-bakiteny izany fitenin-jatovo izany raha ny mahakasika ny fizotry ny fanadinana bacc 2019 teo no resahina.

Voalohany dia: sambany tao anatin’ny 20 taona vao nisy bacc tratra aoriana toy izao, ka volana oktobra vao natao .

Faharoa dia: tena nafotaka ny fandrenesana ny fiparitahan’ny laza adina na tamin’ny fampianarana ankapobeny na tamin’ny fampianarana teknika , ary tsy tamin’ny taranja iray fa maro.

Fahatelo dia niharihary fa tsy voafehin’ny fanjakana mihitsy izany, ka dia nisy ny fampiasana ireo mpitandro filaminana, izay tonga nampihorohoro ny mpianatra tsy manan-tsiny, ary dia niteraka tsy filaminan-tsaina ho an’ny mpiadina maro izany.

Afaka hanadio sy hanamarin-tena ny mpitondra fa nisy ny antony ara-boajanahary toy ny oram-baratra sy rivotra nifofo ka nampiendaka hatramin’ny tafon’ny toeram-panadinana tany Andramasina. Saingy safidin’iza moa no nanao izay hahatonga ny fanadinana ho volana oktobra, izay efa fantatra fa hanombohan’ny fahavaratra?

Tany Imerintsiatosika ihany koa dia tao anaty oram-baratra no nanaovana ny fanadinana ny harivan’ny talata, ary dia nitete tsy nisy toy izany ny tafon’ny sekolim-panjakana, ary dia lena daholo ny taratasim-panadinana.

Fanampin’izany dia tara ny fahatongavan’ny laza adina ka tamin’ny 7 ora hariva dia mbola tsy vita ny fanadinana tamin’ny toerana sasany, ary dia labozia no nifampitsilovana tamin’izany.

Manginy fotsiny tany amin’ny teknika ny nandrenesana hoe fizika no tokony ho laza adina nefa dia laza adina frantsay no nozaraina. Tao ihany koa ny tsy fitovian’ny ora nanombohan’ny laza adina fa ny sasany tamin’ny 8 ora , ny sasany tamin’ny 9 ora ary teny Itaosy dia nisy ny tamin’ny 10 ora vao nanomboka noho ny fahataran’ny laza adina.

Nisy ihany koa ny laza adina efa voazara dia nahorona indray fa hoe nisy fuite, nefa nony avy eo dia iny ihany no naverina natao.

Fa ny nampieritreritra ihany koa dia ny laza adina filozofia tamin’ny mpiadina sokajy A. Izao izany: ny fanjakana dia mila hery, mampihàtra lalàna sy hafetsena mba hitondrana vahoaka hoy Nicolas Machiavel. Toa tena fiampangana mazava sy mivantana ny ataon’ny mpitondra ankehitriny izany lohahevitra izany.

Mamboamboatra sy mamorona lalàna hiarovany ny tombontsoany fotsiny ny mpitondra ankehitriny fa tsy misaina izay tombontsoam-bahoaka. Ary dia mampiasa hafetsena isan’andro hanatanterahana izany.

Asa indray ny hilazana ity bacc 2019 ity na bacc manara-penitra na bacc maty hasina, fa ny mampalahelo dia ny mpianatra izay tsy manan-tsiny foana no hiharan’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Efa nianatra nandritry ny 11 volana tamin’ity taon-tsekoly 2018-2019 ity nefa dia izao no niafaran’ny fanadinana natrehina. Dia mba rahoviana vao hahay hiala tsiny noho ny tsy fahombiazany ny mpitondra ankehitriny? Fa dia tena tsy mbola nisy ohatr’ity aloha hatrizay nanaovana e!