Ady amin’ny hosoka sy halabato – Mitohy hatrany ny tolona ataon’ny MCFIE

Helisoa

Na efa nivoaka aza ny didy tsy azo ivalozana avy amin’ny HCC tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo dia tsy mijanona, fa mitohy hatrany ny tolona ataon’ny hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hosoka sy ny halabato na MCFIE. Re izany nandritra ny valandresaka nataon’ny fikambanana manoloana ny mpanao gazety omaly tao Behoririka.

Nisy ny fitetezam-paritra nataonay hoy Rakotomalala Henri na Riri-be, nakana ny hevitry ny vahoaka teny ifotony , ka faritany 2 sisa no tsy vitanay tamin’izany. Rehefa vita ny faritany ambiny dia hisy ny fanangonana ny fehin-kevitra rehetra, ka atambatra ho iray izany, kao aorian’izay dia hisy ny fanapahan-kevitra ho raisina hoy Riri-be. Ny zavatra tadiavin’ny hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hosoka sy ny halabato dia mba ho fifidianana madio eken’ny rehetra no hisy eto amin’ny firenena. Tokony tsy hisy intsony ilay fitenenana hoe “azo raisina fa tsy mitombina”. Nisy ny fitoriana aman-jatony napetrakay teny amin’ny HCC, nefa ny site no namoaka tsotsotra ny valin’ireny fitoriana ireny fa tsy mba natao mangarahara tamin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Ho avy ity hoy Rakotomalala Henri ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina; amin’ireo kaominina 1600 mahery dia mbola 30 hatramin’izao ireo kandida mirotsaka ho fidiana. Midika zavatra hafa izany amin’izao andro vitsy sisa hanolorana ny maha kandida ny olona iray izao hoy izy. Ny MCFIE efa nangataka foana hoe aleo hihemotra ny fifidianana, fa mba jerena tsara aloha ny lisi-pifidianana izay tena fototra nisian’ny halabato teto amin’ny firenena, kanjo izao alefa izao ihany.

Eto izahay dia manamafy hoy ny MCFIE, fa tsy hijanona ny tolona ataonay raha mbola misy ny halabato sy hosoka mandritra ny fifidianana ho avy eo, ny efa vita mbola takianay hatramin’izao satria mbola manangona porofo foana izahay hatramin’izao.