Rajoelina sy ry mpiara-dia aminy a, miovà fo amin’izay!

Tsy raharaha tokantrano intsony izy ity fa malaza eran-tany ny tsy fahaiza-mitantana asetry ny fitondrana Rajoelina. Voahoso-potaka ny firenena fa manjaka ny kolikoly sy ny fahefan’olom-bitsy, ny hazakazaka amin’ny fangoronan-karena, ny fitiavantena sy ny fampiasàna fomba tsy mendrika.

Indroa voafelaka ny “tehamaina” i Andry Rajoelina tao anaty roa andro: ny voalohany tao Iavoloha, izany hoe ao amin’ny toby hiasany ihany, ary ny faharoa manoloana vahoaka aman’hetsiny teo Soamandrakizay raha mipetraka eo amin’ny laharana voalohany manoloana ny Papa Fransoa. Tsy nahatampina ny mason’ity farany ny fandraisana ara-pomba nataon’ny fitondrana, na ny lalana sy ny fako voadio mifanipaka amin’ny isanandro, na ny rano sy angovo nisy fanovàna tao anaty fotoana fohy, na ny fikarakaràna manara-penitra teo amin’i Soamandrakizay.

Tsy tokony ho atao fitaovana hoy izy ny evanjely fa tokony hamaritra ny tantara ao anaty firahalahiana sy fiombonana ianareo, ao anaty fanajàna ny tany sy ny zavatra vokariny. Lahatsoratra an-gazety maro maneran-tany no manendrikendrika ny fanjakan’ny kolikoly sy tombon-tsoan’olom-bitsy, ny fandripahana mihoa-pampana ny ala, ary mangataka ny fitondrana handray ny andraikiny.

Atao angamba fa tsy ho voaantso daholo ireo mpanao gazety maneran-tany izay toa manoso-potaka ny fitondran-dRajoelina izao amin’izao fisintoman’i Papa Fransoa ny sofiny izao. Hihazo ny Nosy Maorisy i Papa Fransoa androany alatsinainy 9 septambra ary hiverina handalo eto Madagasikara alohan’ny handaozany ny faritry ny ranomasina indianina hamonjy ny Vatican. Atao angamba fa tsy ho voaantso sy ho voatana atao famotorana izy.

Tokony haka lesona amin’ireo teny hendry nataon’i Papa Fransoa i Rajoelina sy ireo rehetra mpanohana azy, ka hahay hahatsapa ireo tsy mety nataony, hahay hifampiresaka, hifanaja sy hibanjina ny soa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka. Antenaina fa hitsahatra eto ny di-doha hanohitra ny mpanohitra ka hamela ireto hanatanteraka ny andraikiny manaraka ny ara-dalàna, hisy ny tena fitadiavana vaha-olana maharitra amin’ny rano sy angovo, ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fampitomboana ny fahefa-mividy ho an’ny rehetra, sns.

Lanzelo

Sombitsombin-dahatsoratra hita eny amin’ny gazety manerantany

France24 – À Madagascar, le pape François fustige “la culture du privilège”
Au premier rang, juste devant la tribune, les “VIP” endimanchés bénéficiaient de confortables chaises protégées de bâches blanches. L’homélie du pape a semblé s’adresser d’abord à eux, nantis d’un pays dont les neuf dixièmes des 25 millions d’habitants survivent avec moins de deux dollars par jour.
Il ne faut pas “manipuler l’Évangile” mais “construire l’histoire dans la fraternité et la solidarité, dans le respect gratuit de la terre et de ses dons contre toute forme d’exploitation”, a-t-il dit.
François s’en est pris “à certaines pratiques qui aboutissent à la culture du privilège et de l’exclusion”, critiquant tous ceux qui pensent que “‘la parenté’ devient la clé décisive et déterminante de tout ce qui est juste et bon”.

Le Monde – A Madagascar, le pape François s’alarme de la pauvreté et de la déforestation
Le pontife argentin n’en a pas moins vigoureusement exhorté les dirigeants malgaches à mettre un terme à une série de dérives qui déforestent leur pays, entretiennent la corruption et maintiennent un haut niveau de « pauvreté inhumaine ». Plus de deux tiers des Malgaches vivent avec moins de 2 dollars (1,80 euro) par jour. « Les formes endémiques de corruption et de spéculation », leur a-t-il dit, « augmentent la disparité sociale » et « les situations de grande précarité et d’exclusion ». Aussi leur a-t-il demandé d’assurer « une meilleure répartition des revenus ».

RTN (Suisse) – Le pape François pousse un cri d’alarme sur la déforestation de Madagascar
Le pape François a poussé ce samedi un cri d’alarme face à « la déforestation excessive » de Madagascar, en suggérant aux autorités de créer des emplois respectueux de l’environnement et de lutter contre la corruption.

The Guardian (Canada) – Pope, on Madagascar visit, condemns clan culture of privilege, graft
Pope Francis […] condemned what he said was its clan culture of privilege and corruption that allows a very few to live in wealth while the vast majority languish in grinding poverty.