Nahenan’ny fitondran-dRajoelina avo sasany an-tsokosoko ny tetibola fanabeazana sy fahasalamana

Ankoatra ny resaka fahatapahan-jiro izay zary lasa tandra vadinkoditra ho an’ny vahoaka malagasy saika manerana ny Nosy dia niampy fahatapahan-drano indray izany amin’izao fotoana izao. Mihasahirana ny Malagasy tsy mandady harona nandritra izay fito volana izay fa izay manana dia miha-manana hatrany. Ny vidim-piainana sy ny kojakoka ilaina amin’ny fiainana andavanandro miakatra andro aman’alina. Tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny ariary raha mitaha amin’ny vola vahiny toy ny eorao sy ny dolara.

Ny hita hatreto dia tsy miasa saina amin’izay fahoriam-bahoaka ny fitondrana ankehitriny fa ny hahasoa ny antokony sy ny mpiara-dia aminy no fantany. Porofo mitohaka amin’ny tendany ilay tetibolam-panjakana izay nasiam-panitsiana farany teo.

Nahena tanteraka ny vola natokana ho an’ny sosialim-bahoaka fa ny vola ho an’ny fiadidian’ny repoblika sy ny mpiasa ao amin’ny fitantanam-bola no nampiakarina. Sehatra 12 no mahazo tombony amin’io fiakarana io raha toa ka 26 be izao kosa no voa mafy.
Raha ny antontanisa izay voaray eto am-pelantanana dia nahitàna fitomboana mahery ny 37,1 miliara ariary ho an’ny arabola sy ny tetibola. Mihena ho latsaky ny 30 miliara ariary kosa ho an’ny fanabeazam-pirenena, ary latsaka ny 19,8 miliara ariary ho an’ny fahasalamana, lasa:
– 33,8 miliara ariary ho an’ny fanabeazana (-47%)
– 27,9 miliara ariary ho an’ny rano sy fahadiovana
– 25,4 miliara ariary ho an’ny fahasalamana (-44%)

Tsy misy tokoa ny takona afenina ka tsy ho hita satria noezahiny ny fitondrana izay tarihan’ny filohampirenena ankehitriny afenina io tetibola vaovao io fa tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana no namoahana izany, ary efa miasa amin’izao fotoana izao.

Ny firaisamonimpirenena no nanadihady ity tetibola nasiam-panitsiana ity ary nampahafantatra ireo fiovàna ireo.

Mazava araka izany ny lalana izay izoran’ny fiitondrana ankehitriny, fa ny tenany aloha izay vao ny vahoaka Malagasy. Ary inona no tena antony nanafenana ity tetibola nasiam-panitsiana ity tamin’ny vahoaka Malagasy? Mazava be fa filoham-pirenena tsy mitazona ny teny nomena no mitondra ny Malagasy ankehitriny. Aiza ho aiza ny lokaloka nampanofisina ny Malagasy fa hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka, nandritra ny fampielezan-kevitra izay natao?

Izao dia ny vola natokana ho an’ny tombontsoam-bahoaka mivantana indray no nahena.
Ny tsapa dia fitondrana tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany sy ny ekipany no mitondra an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Vaovao MBS Alarobia 14 Aogositra