Fanotofana an’i Betsimitatatra – Barofo no hataon’ny mpitondra

Ny Valosoa

Miseho lany ankehitriny ny barofo ataon’ny fitondrana, nisy ny famoahana didim-panjakana tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 3 jolay lasa teo, fa ilain’ny fanjakana noho ny asa fanitarana, izay mirazotra amin’ireo ihany koa ny tany, na amin’ny ampahany voakasiky ny tetikasa dia ny fanesorana ireo olona noho ny filan’ny fanjakana izany tany izany.

Mitaintaina ireo mpamboly vary amin’ny lemak’i Betsimitatatra rehetra iny satria iankinan’ny ain’izy ireo ny famokarana vary amin’iny toerana iny, isan’ireny ny eny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka sy Ambohidrapeto, very fanahy mbola velona izy ireo satria dia heno ankehitriny fa ho tonga amin’ny fanotofana izany ny fitondrana ny amin’ny tetikasa izay kasain’izy ireo ho tanterahina.

Eto dia apetraka fa tsy misy ny manohana velively ny tsy hanatanterahina izany satria mila mivelatra ary mila alamina tokoa ny firafitry ny tanàna eto an-drenivohitra ary misy ny tetikasa efa voavolavola hatry ny ela ny tetikasa « Villes Nouvelles » izay eny avaradrano, izay niarahan’ny Ben’ny Tanàna maro sy ireo teknisianina sy injeniera samihafa novolavolaina an-taonany maro, saingy niniana notsinontsinoavina izany ankehitriny.

Ankehitriny ireo tantsaha eny Betsimitatatra maro an’isa dia hanaovana barofo ny fananany, nefa izany dia miantoka tanteraka ny fiainan’izy ireo, tsy hita taratra akory izay mba tambiny amin’ny fakana izany tanimbary izany fa voizina avy hatrany ny hoe « tetikasa ilain’ny vahoaka ». Tsindriana manokana etoana fa tena sarobidy amintsika malagasy ny resaka tany io, izay efa nohamafisin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana tamin’ny kabary nataony tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana depiote lany teo, fa « tokony ho masi-mandidy eto amin’ny taniny ny malagasy » hoy ihany izy, toa rano araraka an-damosin’ny ganagana fotsiny ihany anefa izany raha ny zavamisy amin’izao hakana an-keriny ny tanin’ny vahoaka izao, izay ataon’ny fitondrana Rajoelina, sy ny ministra mpanatanteraka izany, Hajo Andrianainarivelo.