Fifidianana solombavambahoaka 27 mey 2019 – Vokatra ofisialy – Didim-pitsarana laharana faha 45-HCC/AR 2 jolay 2019

Didim-pitsarana laharana faha 45-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 anambaràna ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019.

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no « manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka» ;

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ;

Ary ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia manampy fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra» ;

Satria ny andininy faha 45 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 voalaza etsy ambony dia manambara fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manao ny fanambarana amin’ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny fe-potoana enina ambin’ny folo (16) andro manomboka ny vaninandro amoahana ho fantatry ny besinimaro ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”;

Ary araka ny fanapahana laharana faha 044/CENI/D/2019 tamin’ny 15 jona 2019, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 may 2019; koa ny fanambarana ôfisialy ny vokatra raikitra atao izao andron’ny talata 2 jolay 2019 izao dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voalaza;

NY AMIN’NY FITORIANA

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ; ary ny andininy faha 48 amin’ny lalàna féhizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no mahefa amin’ny fandinihana ny fangatahana na fandavana rehetra mahakasika ny soratra fanamarinana izay anisan’ny mialoha ny raharaham-pifidianana sy amin’izay rehetra mifandraika amin’ny fizotry ny latsabato”; koa araka izany, mitombina ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Satria nodinihan’ny Fitsarana etoana ireo fitoriana miisa 664 voaray nanomboka ny 29 mey ka hatramin’ny 18 jona 2019, araka ny didim-pitsarana :

40-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny tsy fahazoana mandray fitarainana mikasaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 may 2019;
41-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny fandavana fitarainana mikasika ny fifidianana solombavambahoka natao ny 27 may 2019, noho ny tsy fahampiana na tsy fisiana porofo;
42-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny fandikan-dalàna ara-keloka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 may 2019;
43-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba fitoriana fanatsoahana an-daharana kandida nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 may 2019;
44-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba fangatahana hanao fanamarinana antontan-taratasim-pifidianana;

Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

NY AMIN’NY FANARAHAMASO MANDEHA TSY VOIZINA

Satria araka ny andalana farany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, “Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fitarainana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; noho izany, ny Fitsarana etoana dia nanara-maso tsy voizina ireo taratasim-pifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato rehetra tonga tao aminy;

Satria, anatin’izany fanarahamaso izany, ny Fitsarana etoana dia nampiasa hai-raha hentitra, ahazoana mandanjalanja ny fiantraikan’ny fisalasalana izay mety hanohintohina ny maha manan-kery ny vato na bileta; ka tamin’ny tranga sasany, dia naverina nisaina ny vato ary vokatr’izany, dia na namafisina na namboarina ny vokatra tamin’ireo birao fandatsahambato voakasik’izany; ary toy izany koa, naverina nisaina ny bileta fotsy sy maty ka novelomina ireo bileta izay manambara mazava ny safidin’ny mpifidy;

NY AMIN’NY FITORIANA TSY ILANA FANDINIHANA INTSONY

Satria na misy aza ny fenitra lehibe milaza fa ny raharaha dia tokony ho vitaina hatramin’ny farany, azo ajanona izany raha toa ka misy singa iray amin’ ireo zavatra tena ilaina tsy eo intsony; ka nandritra ny fanarahamaso mandeha tsy voizina nataony, ny Fitsarana etoana dia nanitsy ireo fahadisoana na tsy fifanitsiana mety ho hitany araka ny lalàna; koa ireo fitoriana mangataka ny handinihana indray ireo toe-javatra efa voadinika, dia tsy misy fototra hifaharany intsony; koa araka izany, tsy ilaina intsony ny handinihana azy ireo;

NY AMIN’NY FITANANA AN-TSORATRA

Satria araka ny hita tamin’ny lisitry ny fitanana an-tsoratra tonga taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia misy fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana miisa dimy nalefan’ny Sampana mpanisa vato, koa tsy misy vokatra manan-kery amin’ireto birao fandatsahambato ireto:

– 210 213 030 101 Ambohipato Fokontany Ambohipato Kaominina Manambato Distrika d’Ambilobe ;

– 210 213 060 101 EPP Ambatomily Fokontany Ambatomily Kaominina Manambato Distrika Ambilobe ;

– 350 102 170 101 Ambohidaza Fokontany Ambohidaza Kaominina Ambohimiera Distrika Ifanadiana ;

– 430 401 090 101 Andrafiabe Fokontany Andrafiabe Kaominina Andabotoka Distrika Maintirano ;

– 440 507 120 101 Tsararano Fokontany Tsararano Kaominina Komajia Distrika Mampikony ;

– 610116200101 EPP Tsimikaboke Fokontany Tsimikaboke Kaominina Maroalipoty Distrika Ambovombe Androy ;

NY AMIN’NY FANAFOANANA VATO SASANTSASANY

Satria ny fahitana fisian-javatra tsy ara-dalàna sasantsasany dia mitarika fisalasalana ny amin’ny maha manan-kery ny vato na bileta sasantsasany ; koa anjaran’ny mpitsara ny fifidianana ny mandanjalanja ny fiantraikan’izany, izay mety hanohintohina ireo vato na bileta ireo ;
Satria ny Sampana Mpanisa vato ao Analalava dia nanao fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana mikasika ny birao fandatsahambato lf 440 114 040 101 fokontany Ambatomainty kaominina Bejofo, taorian’ny nahitana fa nisy ny fampiasana sarin-tsoratra bileta tokana miisa valo amby efapolo (48), tsy voasonian’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana, nomena ny kandida laharana faha-2 ; ka izany tsy fetezan-javatra izany dia namafisin’ny fanapahana lf.044/CENI/D/2019; ka ny isan’ny vato nahitsy dia tsy kisendrasendra ; araka izany, foanana ny vato miisa 48 azon’ny kandida laharana faha-2 tamin’ny tsy ara-dalàna ;
Satria ny Sampana mpanisa vato ao Analalava dia nanao fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana mikasika ny birao fandatsahambato lf.440 115 020 101 fokontany Mangoaka kaominina Andrevorevo, taorian’ny nahitana fa nisy ny fampiasana sarin-tsoratra bileta tokana miisa zato (100), tsy voasonian’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana, nomena ny kandida laharana faha-2 ; ka izany tsy fetezan-javatra izany dia namafisin’ny fanapahana lf.044/CENI/D/2019; ka ny isan’ny vato hahitsy dia tsy kisendrasendra ; araka izany, foanana ny vato miisa 100 azon’ny kandida laharana faha-2 tamin’ny tsy ara-dalàna ;

NY AMIN’NY FANAFOANANA NY VOKATRA TAMIN’NY BIRAO FANDATSAHAMBATO SASANTSASANY

Satria araka ny fanapahana lf.044/CENI/D/2019, mikasika ny Distrikan’i Toliara II, ny taratasin-datsabato mahakasika birao fandatsahambato miisa enimpolo, izay tokony halefa ho an’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana ary ny Sampana mpanisa vato, dia potika ; ka ny Fitsarana etoana dia tsy manana antontan-taratasy tena izy ; ka ny tsy fananana izany antontan-taratasim-pifidianana tena izy izany dia lasa sakana tsy ahafahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana manara-maso ny fahamarinan’ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny ; koa noho izany, foanana ny fifidianana natao tao amin’ireo birao fandatsahambato ireo ;
Satria mampisalasala ny fizotry ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsahambato lf 440 616 060 101 Ambatambaky, noho ny taratasin’ny CENI tamin’ny 28 jona 2019 milaza fa tsy afaka izy hanamafy na hitsipaka ny datin’andro marina nanaovana ny fitanana an-tsoratra sy ny fanajana ny fanaovana eo no eo ny famenoana izany taratasim-pifidianana izany ; koa foanana ny latsabato tamin’io birao fandatsahambato io ;
Satria ny fanapahana lf. 044/CENI/D/2019 nataon’ny Sampana mpanisa vato ao Analalava dia milaza ireto toe-javatra manaraka ireto : mitovy ny marika hita tamin’ny bileta nampiasaina tao amin’ny birao fandatsahambato lf 440 106 010 102 fokontany Angoaka Sud, birao fandatsahambato lf 440 108 011 101 fokontany Ankianganomby kaominina Antonibe ary ny birao fandatsahambato lf 440 108 230 101 fokontany Antsanifera kaominina Antonibe ; koa foanana ny latsabato tamin’ireo birao fandatsahambato ireo ;
Satria araka ny fanapahana lf 044/CENI/D/2019, ny Sampana mpanisa vato ao Analalava dia milaza ireto toe-javatra manaraka ireto : ny sonia tao amin’ny lisi-pifidianana dia vita tamin’ny lavotondro mitovy ho an’ny ankamaroan’ny mpandatsa-bato tao amin’ny birao fandatsahambato lf 440 103 200 101 fokontany Lanamena kaominina Ambolobozo sy ny birao fandatsahambato lf440 111 090 101 fokontany Amparibe kaominina Maromandia ; koa satria tsy azo antoka ny isan’ny vato asiana fanitsiana, dia foanana ny raharaham-pifidianana tamin’ireo birao fandatsahambato ireo ;
Satria araka ny fanapahana lf 044/CENI/D/2019, ny CENI dia nahita ahiahinà hosoka goavana tamin’ireto birao fandatsahambato ireto : lf 310 211 060 101 fokontany Analamanana kaominina Antoetra Distrika Ambositra, lf 610 406 070 101 fokontany Maroakalo kaominina Nikoly Distrika Tsihombe ; koa foanana ny latsabato tamin’ireo birao fandatsahambato ireo ;

Noho ireo antony ireo

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Nodinihana araka ireto didim-pitsarana manaraka ireto ireo fitoriana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019:

Didim-pitsarana lf. 40-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny tsy fahazoana mandray fitarainana mikasaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019;
Didim-pitsarana lf. 41-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny fandavana fitarainana mikasika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019, noho ny tsy fahampiana na tsy fisiana porofo;
Didim-pitsarana lf. 42-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny fandikan-dalàna ara-keloka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019;
Didim-pitsarana lf.43-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba ny fitoriana fanatsoahana an-daharana candida nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019;
Didim-pitsarana lf. 44-HCC/AR tamin’ny 2 jolay 2019 momba fangatahana hanao fanamarinana antontan-taratasim-pifidianana.

Andininy faha 2.- Tsy misy ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsahambato voalaza ao amin’ny andàlana 11.

Andininy faha 3.- Foanana ny vato miisa 48, azon’ny kandida laharana faha-2 tamin’ny tsy ara-dalàna tao amin’ny birao fandatsahambato lf 440 114 040 101 fokontany Ambatomainty kaominina Bejofo, Distrikan’Analalava.

Andininy faha 4.- Foanana ny vato miisa 100, azon’ny kandida lf.2 tamin’ny tsy ara-dalàna tao amin’ny birao fandatsahambato lf.440 115 020 101 fokontany Mangoaka kaominina Andrevorevo Distrikan’Analalava.

Andininy faha 5.- Foanana ny vokatra tamin’ireto birao fandatsahambato voatanisa ao amin’ny Andàlana faha 15, 16, 17, 18 ary 19.

Andininy faha 6.– Ambara fa voafidy ho Solombavambahoakan’i Madagasikara, mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ireto kandida manaraka ireto:

Faritra ANALAMANGA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

1101 AMBOHIDRATRIMO

RABENIRINA Maminiaina Solondraibe

TIM

1101 AMBOHIDRATRIMO

RAKOTOARISOA Nirina Fenohery Johnny

IRD

1102 ANDRAMASINA

ANDRIAMANJATO Liantsoa Bina

TIM

1103 ANJOZOROBE

MBELO NDRIAMANAMPY Jean Germain Odo

IRD

1104 ANKAZOBE

RALALASON Dera Harinjafimino

IRD

1105 ANTANANARIVO-ATSIMONDRANO

RATSIMBAZAFY Alain Jean

TIM

1105 ANTANANARIVO-ATSIMONDRANO

RATSIVAHINISOLO Andriniony

IRD

1106 ANTANANARIVO AVARADRANO

ANDRIAMBELOSOA Heriniaina

IRD

1106 ANTANANARIVO AVARADRANO

RANDRIAMBOLAINA Gerry

TIM

1107 ANTANANARIVO I

RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina

TIM

1107 ANTANANARIVO I

ANDRIAMANALINARIVO Raymond Michel Jo

IRD

1108 ANTANANARIVO II

RANDRIANARISOA Stanislas

TIM

1108 ANTANANARIVO II

RAKOTOMANGA Lantoarivola Sedera

IRD

1109 ANTANANARIVO III

RALAMBOMANANA Fenoherintsoa

TIM

1109 ANTANANARIVO III

RAFENOMANANTSOA Tsirimaharo Ny Aina

IRD

1110 ANTANANARIVO IV

RAHASIMANANA Paul Bert

IRD

1110 ANTANANARIVO IV

RAMBOASALAMA Emilien

TIM

1111 ANTANANARIVO V

RAHOLDINA NAIVO HERINANTSOINA

IRD

1111 ANTANANARIVO V

RALAMBOZAFIMBOLOLONA RAZAFITSIMIA

TIM

1112 ANTANANARIVO VI

ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy

TIM

1112 ANTANANARIVO VI

RAKOTOARIMANANA Tiana Maxime

IRD

1113 MANJAKANDRIANA

ANDRIAMIASASOA Doda Nirimboavonjy

IRD

Faritra BONGOLAVA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

1201 FENOARIVOBE

RANDRIANARISOA Bien Aimé Arsène

IRD

1202 TSIROANOMANDIDY

RAMAHERIJAONA Hajanirina Lanto

IRD

1202 TSIROANOMANDIDY

RAHOLIJAONA Harson

INDEPENDANT RAHOLIJAONA HARSON

Faritra ITASY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

1301 ARIVONIMAMO

RAKOTONDRAVOAVY Andrianjafinjanakolon

IRD

1301 ARIVONIMAMO

RAKOTOMANJATO Edmond Rodin Georges

TIM

1302 MIARINARIVO

RAKOTONDRASOA Fetra

IRD

1303 SOAVINANDRIANA

RAZAIHARIMALALA Harizaka Fiainantsoa

IRD

Faritra VAKINANKARATRA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

1401 AMBATOLAMPY

RAKOTOMALALA Miarintsoa Andriantsitonta

INDEPENDANT RAMIM S

1402 ANTANIFOTSY

RAFIDIMANANTSOA Narson

INDEPENDANT RAY DIA

1402 ANTANIFOTSY

DONOVAN Sidonie Jimmy Gertrude Johnny

IRD

1403 ANTSIRABE I

JEAN FRANCOIS Michel

TIM

1404 ANTSIRABE II

RANDRIAMANAMPISOA Alfred

IRD

1404 ANTSIRABE II

RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José

TIM

1405 BETAFO

FIAROVANA Lovanirina Celestin

IRD

1406 FARATSIHO

RASOLONJATOVO Honoré

IRD

1407 MANDOTO

RAKOTORAHALAHY Modeste

TIM

Faritra DIANA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

2101 AMBANJA

DARKHOUI Siritis

INDEPENDANT DARKHAOUI SIRITI

2102 AMBILOBE

ASSIMO Bruno

IRD

2103 ANTSIRANANA I

RAHELIHANTA Jocelyne

IRD

2103 ANTSIRANANA I

RAMENASON Rio Merci

IRD

2104 ANTSIRANANA II

RAYMOND

INDEPENDANT RAYMOND

2105 NOSY-BE

RAZAFINDRAVONY Marifidy Christine

IRD

Faritra 22 SAVA

CIRCONSCRIPTION

NOM ET PRENOMS

ENTITE

2201 ANDAPA

RABENARY Jean

INDEPENDANT RABENARY JEAN

2202 ANTALAHA

NASIRA Julien

INDEPENDANT NASIRA JULIEN

2203 SAMBAVA

MAMANGY Norbert

INDEPENDANT MAMANGY NORBERT

2203 SAMBAVA

RAMILSON Ange Richard

INDEPENDANT MAMANGY NORBERT

2204 VOHEMAR

EDIZARD

INDEPENDANT FAM

Faritra AMORON’I MANIA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

3101 AMBATOFINANDRAHANA

RAZANAMAHASOA Christine Harijaona

IRD

3102 AMBOSITRA

ANDRIATAHINANOMENJANAHARY Felicien

INDEPENDANT

3102 AMBOSITRA

RASOAZANANERA Marie Monique Ernestine

INDEPENDANT RASOAZANANERA

3103 FANDRIANA

RASOLOMAMPIONONA Hasimpirenena

IRD

3104 MANANDRIANA

ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa

INDEPENDANT ANDRIANJANAHARY

Faritra ATSIMO-ATSINANANA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

3201 BEFOTAKA SUD

RAZAFINDRIATSARA Jonhson Anatol

IRD

3202 FARAFANGANA

FELICIEN Randrianantenaina

INDEPENDANT COLONEL FELICIEN

3202 FARAFANGANA

RAHERIARIJAONA Régina Clarisse

IRD

3203 MIDONGY SUD

TOVONDRAY Retsanga Brillant De L Or

INDEPENDANT TOVONDRAY Retsanga

3204 VANGAINDRANO

RAMAHANDRISOA Edu Edmond

IRD

3204 VANGAINDRANO

JOHASY RAHARISOA Eléonore

INDEPENDANT VANGAINDRANO TSY MIAKARENY

3205 VONDROZO

ANDRIANAMBININA Djohary Lee

INDEPENDANT ANDRIANAMBININA

Faritra MATSIATRA-AMBONY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

3301 AMBALAVAO

RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian

IRD

3302 AMBOHIMAHASOA

RASOAMALALA Honorine

IRD

3303 FIANARANTSOA I

RAJOELINA Andriami-harimanana Seth

IRD

3303 FIANARANTSOA I

RAVELOSON Guillaume Narindrasana

IRD

3304 ISANDRA

VOAHANGINIRINAZAFIMANDIMBY Marie La

IRD

3305 IKALAMAVONY

RAHARIMAMPIONONA

INDEPENDANT RAHARIMAMPION

3306 VOHIBATO

RANDRIANATOAVINA Jean Martin

INDEPENDANT COLONEL MARTIN

3307 LALANGINA

RIVOTIANA Richard Jean Bosco

IRD

Faritra IHOROMBE

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

3401 IAKORA

RAKOTONIRINA Jimmy Joe

INDEPENDANT JIMMY

3402 IHOSY

RAKOTOMAMONJY Neypatraiky André

INDEPENDANT PATRAIKY MANAG

3403 IVOHIBE

RANDRIANARISON Temis Tocle

IRD

Faritra VATOVAVY-FITOVINANY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

3501 IFANADIANA

ANDRIAMIATRIKARIVO Tiana James Pierrot

IRD

3502 IKONGO

RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunelle

IRD

3503 MANAKARA

RASIDIMANANA

INDEPENDANT RASIDY

3503 MANAKARA

ANDRIANO Giscard

IRD

3504 MANANJARY

ANDRIANANDRASANA Norbert Marie Ignace

IRD

3504 MANANJARY

MAMIHAJA Charlot

INDEPENDANT HAJA

3505 NOSY VARIKA

BAOFENO Micheline

INDEPENDANT CELINE

3506 VOHIPENO

TSABOTOKAY Honoré

IRD

Faritra BETSIBOKA

CIRCONSCRIPTION

NOM ET PRENOMS

ENTITE

4101 KANDREHO

TSIKIVY Adrien

IRD

4102 MAEVATANANA

MBADE Jeannine Gabriel

INDEPENDANT MME JEANNINE

4103 TSARATANANA

RATSIMANOSIKA Alexandre Andriamananten

IRD

Faritra BOENY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

4201 AMBATO BOENI

FERNAND Jeannot

IRD

4202 MAHAJANGA I

RAHANTANIRINA Lalao

IRD

4202 MAHAJANGA I

NICOLAS Stephan Alphonse

INDEPENDANT NICOLAS STEPHA

4203 MAHAJANGA II

RASALAMA Léon

IRD

4204 MAROVOAY

RAKOTONDRAVAO Georges

IRD

4205 MITSINJO

RANDRIAMISA NAINA Marie Nicolas David

INDEPENDANT MICHOU

4206 SOALALA

SAID ZAKANIAINA Mahafaly Joseph

INDEPENDANT SOALALA MANDR

Faritra MELAKY

CIRCONSCRIPTION

NOM ET PRENOMS

ENTITE

4301 AMBATOMAINTY

MANOLOSOA Felix

IRD

4302 ANTSALOVA

VELOMAHAZO Patrice

IRD

4303 BESALAMPY

MAMIZARA Yasmirah Loeticia

INDEPENDANT MAMIZARA Yasmirah

4304 MAINTIRANO

AFAKANDRO Alphonse

IRD

4305 MORAFENOBE

VONINAHITSY Jean Eugène

RPSD VAOVAO

Faritra SOFIA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

4401 ANALALAVA

DJAOSERA Irénée

IRD

4402 ANTSOHIHY

REMI

IRD

4403 BEALANANA

VOLAHAINGO Marie Thérèse

IRD

4404 BEFANDRIANA NORD

JONAH Parfait Prezaraly

MATITA

4405 MAMPIKONY

RAPHAELIEN Solofoniaina Emilien Narson

INDEPENDANT RAPHAELIN SOLO

4406 MANDRITSARA

RASOLOMANANA Beby Olivier

IRD

4407 PORT-BERGE

VELONTSARA Paul Bert

IRD

Faritra ALAOTRA-MANGORO

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

5101 AMBATONDRAZAKA

RAKOTONDRAZAFY José Alain

IRD

5101 AMBATONDRAZAKA

RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle

TIM

5102 AMPARAFARAVOLA

RABEKIJANA Solofo Hery

TIM

5102 AMPARAFARAVOLA

RAMAROSOA Emiline

IRD

5103 ANDILAMENA

RAKOTOARIMANANA Patrice

INDEPENDANT RAKOTOARIMANANA

5104 ANOSIBE AN’ALA

BERNANDO Germain Berton Ndrianasy

MDM

5105 MORAMANGA

RAKOTONIRINA Augustin

INDEPENDANT DG AUGUSTIN

5105 MORAMANGA

RAJAOBELINA Lova Herizo

IRD

Faritra ANALANJIROFO

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

5201 FENERIVE EST

MICHELLE Bavy Angelica

IRD

5201 FENERIVE EST

MOHAMAD Ahmad

IRD

5202 MANANARA NORD

RASOLONIAINA Robert

INDEPENDANT RASOLONIAINA ROBERT

5203 MAROANTSETRA

DINAH Romual

IRD

5204 SAINTE MARIE

RAVONTY Tam Teon Luc Urbain

IRD

5205 SOANIERANA IVONGO

RAMAMONJISOA RAKOTONIRINA Jhon Wha

IRD

5206 VAVATENINA

RAZANADRABEARIMANANA Jacques Aurelie

IRD

Faritra ATSINANANA

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA
ANTOKO

5301 ANTANAMBAO MANAMPOTSY

RANDRIANARIVELO Justin Abel

IRD

5302 BRICKAVILLE

SATRA Augustin

INDEPENDANT SATRA

5303 MAHANORO

RAKOTOSON Hubert

IRD

5304 MAROLAMBO

RANDRIANASOLO Augustin

INDEPENDANT RANDRIANASOLO

5305 TOAMASINA I

NAHARIMAMY Lucien Irmah

IRD

5305 TOAMASINA I

RATSIRAKA Iarovana Roland

MTS

5306 TOAMASINA II

ROILAHY

IRD

5307 VATOMANDRY

RAZAFINANDRASANA Raulan

INDEPENDANT RAZAFINANDRASA

Faritra ANDROY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

6101 AMBOVOMBE ANDROY

MILAVONJY Andriasy Philobert

INDEPENDANT MILAVONJY ANDRI

6101 AMBOVOMBE ANDROY

HENRI Jean Michel

IRD

6102 BEKILY

JEAN Daniel Dit Manjosoa

IRD

6103 BELOHA ANDROY

RANDRIA Joseph

INDEPENDANT RANDRIA JOSEPH

6104 TSIHOMBE

MASY Goulamaly Marie Jeanne D arc

INDEPENDANT MASY GOULAMAL

Faritra ANOSY

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPINANARANA

ANTOKO

6201 AMBOASARY SUD

ANGELE Solange

INDEPENDANT ANGELE SOLANG

6202 BETROKA

RANDRIANASOLO Jean Nicolas

GJMP

6203 TAOLANARO

ZAFINANDRO Perle Bien Aimée

IRD

6203 TAOLANARO

RATSIMANDRIONA Aida Hardy

IRD

Faritra 63 ATSIMO-ANDREFANA

CIRCONSCRIPTION

NOM ET PRENOMS

ENTITE

6301 AMPANIHY OUEST

IDEALSON

INDEPENDANT IDEALSON

6301 AMPANIHY OUEST

TSARADIA Marco

INDEPENDANT IDEALSON

6302 ANKAZOABO SUD

PEPIN MICHOU

IRD

6303 BENENITRA

RANDRIANANDRAINA Théophile Christian

INDEPENDANT RANDRIANANDRAINA

6304 BEROROHA

NAKANY Charly Zafimagnely

IRD

6305 BETIOKY SUD

RABENIRINA Jean Jacques

IRD

6306 MOROMBE

RAKOTOMALALA Lucien

IRD

6307 SAKARAHA

RAZAKANDRAINY Henri Dominique

IRD

6308 TOLIARY I

RABEHAJA Jean

INDEPENDANT RABEHAJA JEAN

6308 TOLIARY I

RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry

IRD

6309 TOLIARY II

ROCHELIN Houssen

IRD

6309 TOLIARY II

TSITARA Rogers Osman

INDEPENDANT TSITARA ROJERS

Faritra MENABE

DISTRIKA

ANARANA SY FANAMPIANANARANA

ANTOKO

6401 BELO SUR TSIRIBIHINA

RABEMANANTSOA Herilala Jeannot

IRD

6402 MAHABO

RAVELOSON Ludovic Adrien

INDEPENDANT LEVA

6403 MANJA

FIENENA Richard Désiré

IRD

6404 MIANDRIVAZO

RICHARD Tsimahalefy Alexandrine

IRD

6405 MORONDAVA

CHRISTOPHE Tsiliva Diddiot

IRD