Sazio ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny CENI ireo!

Sary nindramina FB Nantenaina Oly

Meloka ny CENI eo anatrehan’izao toe-javatra mikasika ny firenena izao.

N’inon’inona hitranga amin’ireo lohandohany niray tsikombakomba tamin’ny mpangala-bato dia efa tanteraka ny asa nampiandraiketana azy.

Vita hosoka ny voka-pifidianana tamin’ny filohan’ny repoblika. Vita indray koa ny andraikiny tamin’ity fifidianana solombavambahoaka ity.

Mba inona loatra re no takalony e?