Fifidianana depiote – Toamasina – Mivondrona ny kandidà hampiakatra fitarainana eny amin’ny HCC

Manoloana ny halabato fanahy iniana natao ampandaniana ireo kandidà-panjakana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka dia nivondrona ireo kandidà ao amin’ny faritan’i Toamasina.

Efa tafahoatra loatra hoy izy ireo ny zava-misy amin’izao fotoana izao, satria ny filoham-pirenena mihitsy no manitsakitsaka ny lalam-panorenana izay nanaovany fianianana.

Niainga tany amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy no efa nisy ny halatra, nandritra ny fampielezan-jevitra ary nisy hatramin’ny fanovàna ny voka-pifidianana.

Tonga eto Antananarivo izy ireo hametraka fitoriana miaraka amin’ny porofo mazava tsara ka manao antso avo amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana mba hanadihady marina mba hialàna amin’ny hoe “azo raisina fa tsy mitombina”.

MBS