Andry Rajoelina sy ny IRD – Mivoaka ny tetika maloto – Marqueur sy Cachet (tapany III)

Distrikan’Ambalavao Tsienimparihy

Mitohy ny fanangonana ny porofo manamarina ny fisian’ny hosoka sy ny halatra, ary ny tsy fanajàna ny lalampanorenana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina ny 27 Mey lasa teo.

Ny andininy faha-22 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mamaritra tsara fa stylo (à bille bleu) no ampiasaina rehefa mametraka ny ‘X’.

Ho an’ny distrikan’Ambalavao dia mbola namafisin’ny CED (Commissions électorales de district) ny maraina andron’ny fifidianana fa tsy azon’ny mpifidy atao ny mampiasa marqueur na ny cachet ‘X’ fa dia stylo araka ny efa voafaritra.

Ka rehefa teny amin’ny SRMV ny tatitra momba ny tsy fahatomombanana dia nisy ny fitsirihana teny amin’ny biraom-pifidianana, izay nahatratrarana fampiasàna ny cachet ‘X’ sy ny marqueur, izay tsy fitaovana avy amin’ny SRMV na ny CENI. Ary rehefa natao ny fifampiresahana teo anivon’ny distrika, dia maro izy ireo no nampiasaina hanaovana hala-bato.

Hametraka fangatahana eo anivon’ny HCC ny tompon’andraikitra eo amin’ny SRMV miaraka amin’ireo vavolombelona avy amin’ny toerana ifotony, aamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana eran’ny distrika izay nitrangan’ny hala-bato ary ny hamerenana ny fifidianana.

MBS