Mpandrebireby vahoaka ny fitondrana Rajoelina

Efa nambara teto amin’ity gazety ity fa mpamahan-dalitra vahoaka ny fitondrana Rajoelina, tsapa koa izao fa tena mpandrebireby vahoaka mihitsy ny fitondran’ity filoha mpanongam-panjakana teo aloha ity.

Tsy fandriampahahalemana: nolazaina fa hividy angidimby sy fiaramanidina ho enti-miady amin’ireo malaso, nefa dia tsy izay no nafarana ankoatra ny tsy fangaraharana nividianana azy, vola avy aiza sy ahoana ny pitsopitsony rehetra tamin’ny tsenan’asam-panjakana mahakasika izany.

Nodradraina mafy ny fampiakarana ny karama ho 200 000 Ar niaraka tamin’ny GEM, SIM, FIVMPAMA, GEFP, SEKRIMA, FISEMARE, FISEMA, SEREMA, CTM ny 30 Aprily lasa teo, karama farany ambany izay 168.000 Ar teo aloha dia ho lasa 200.000 Ar, 19% no fiarakarany. Nanipika anefa ireto vondron’ny mpandraharaha izay nisolotena azy Ramatoa Noro Andriamamonjisoa (GEM), fa mbola miandry izy ireo ny amin’ny fanadihadihana samihafa aloha sy arakaraky zava-misy eo amin’ny orinasa.

Niakatra ho 169 ora isam-bolana ny ora fiasana raha toa ka 160 ora izany teo aloha. Rehefa fakafakaina anefa dia ny eo ihany no eo satria io fiakarana lazaina io, dia ilay tambin-karama amboniny no nampidirina ao anaty vatan-karama. Etsy andaniny hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny toekarem-pirenena izany satria ny orinasa no hibaby ireo tataon-ketra isan-karazany izay mianjady amin’izy ireo, voatery izy ireo hanao ny fandroahana ny mpiasa ao aminy, mba hisian’ny fitsitsiana eo amin’ny sehatra ivelaran’ny orinasa, manginy fotsiny ny tsy fisian’ny aro riaka eo amin’ny fampiasambola eto amintsika sy ny fanomezana vahana ireo orinasa avy any ivelany hisehatra eto amin’ny tsena anatiny. Ny tolotra sy ny tinady anefa tsy nahandry izany fa dia vao naheno fampiakarana, avy hatrany, niakatra ny vidin-javatra eny an-tsena toy ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Tsy misy izay tsy miakatra, avo 3 heny ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny fiakarana ary hiteraka fihenan-danjan’ny toekarena eto an-toerana izany, na ny “inflation”.

Fanamboarana ny Rova eny Manjakamiadana: nisy ny fanambarana ofisialy teny an-toerana fa ho amboarina indray ny Rova ny 11 aprily lasa teo, ary nolazaina tamin’izany fa ho vitaina amin’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny fahaleovantena ny hanamboarana azy. Tena laharam-pahamehana ve ny hanaovana izany? Tamin’ny fotoan’androny ny Filoha Marc Ravalomanana no voalohany nanarina azy dia nolazain’ny sasany indray ankehitriny fa izy ireo no tompon-kevitra amin’ny famitana ny asa. Efa vitan’ny Filoha Marc Ravalomanana hatramin’ny 80% ankehitriny io Rova io, nefa tsy nasian-dRajoelina resaka akory izany. Tsy zovina moa no izy ireo amin’ny fisandohana tahaka izany satria isalorany ataony ho “VELIRANO” avokoa ny asa vitan’ireo fitondrana nisy teo aloha rehetra.

Santionany ihany ireo voalaza ireo fa fandrebirebena ny saimbahoaka no misy, laza masaka avokoa fa ny atao tsy hita beny ihany ohatrar’ireo vary mora lazaina fa ho zaraina amin’ny vahoaka, kinanjo tsy hita an-javony izany fa lasa atao fitaovana politika ho an’ireo mpilatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka izay TGV ihany no afaka mizara izany ho an’ny vahoaka. Fametsifetsena no manjaka ankehitriny, ka mila mailo hatrany isika manoloana ireo tsindry ataon’ireo mpitondra ankehitriny.

Ny Valosoa