HOPITALY MANARA-PENITRA ?

Hay ve ny manara-penitra, raha faritana dia hoe:
Tsy misy tsy andoavam-bola , sady tena vola be!
Ka raha tsy manana an’izany dia tsy maintsy hijalijaly,
Fa tsy hisy fitsaboana andrasana amin’ny hopitaly!

Hay ve ny manara-penitra dia midika tsotr’izao
Hoe ny olona tsy manam-bola dia tsy afaka mankao?
Aleo mijanona any an-trano raha tsy misy ny eo an-tanana
Fa raha ny manara-penitra, tsy an’ny ory sy tsy manana !

Hay ve ny manara-penitra dia anaram-panesoana,
Fa ho an’ireo mahantra dia toeram-pamonoana?
Tena toera-manan-daza sady ambony kalitao
Kanefa ireo tsy manam-bola, tsy hivoaka velona ao?

… Izany ilay manara-penitra , izany ilay hoe idedahana,
Nefa toerana ahitana sarintsarim-panavahana!
Ry mpitondra o ! ‘ndeha ovay ilay manara-penitrao
Ka aoka ireo mahantra koa mba tena hahazo toerana ao!

DADAN’i ZINA (01-04-19)