TENA MATIMATY FOANA ?

Moa ve matimaty foana ny havantsika izay nitolona,
Fa ny tany sy ny harena toa vao mainka lasan’olona?
E jereo fa mihetraketraka sy manjaka ireo vahiny.
Moa voavidin’izy ireny ny mpitondra ankehitriny?

Heno fa namidy ny etsy, ny atsy indray nampanofaina.
Dia ahodina ny resaka, zavatra hafa no lazaina!
Mody atao ny dokam-barotra sy ny lainga tsara lahatra,
Kanjo hatreto aloha ny gasy, miala maina sy manjahatra!

Ho tonga maro ny vahiny, hatsangana etsy ny orinasa.
Atsy ho lasa Miami fa mifitsaha ka mahandrasa.
Zavajavatra toy izany no dradraina fa ho teraka,
Saingy hatreto aloha ny gasy, mihaosa, mihareraka!

Izay lazain’ny mpitondra, toy ny resaka manidina.
Fari-piainan’ny vahoaka, toa vao mainka mihamidina.
Iretsy voa mba hoe nafafy, indrisy fa tsy namololona.
Tena matimaty foana ny havantsika izay nitolona!

DADAN’I ZINA (26-03-19)