Sambava – Nisy fanolanana zaza tsy ampy taona narahina fanapoizinana

Anisan’ny fomba ratsy vaovao fanaon’ireo tovolahy mpanolana ankizy vavy tsy ampy taona aty amin’ny distrikan’i Sambava, ny fampiasana fanafody valium hampatorina ireo zaza, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny filandratsiny.

Tena nampalahelo tokoa ity tranga niseho iray volana lasa izay ity, fa ny alakamisy 21 martsa 2019 teo vao tratra ny iray tamin’ireo tambazotran’ny mpanolana ity.

Araka ny vaovao voarainay ary dia ankizy vavy iray 14 taona teto amin’ny kartie teto Sam­ bava, izay mipetraka ao amin’ny anadahindreniny no nisy nanolana tamin’ny alalan’ny fomba hafahafa, ka zazavavy 2 kely, ny iray 14 taona, ny zandriny kosa eo aminy 7 taona, nividianan’ireto tovolahy 2 lahy limonady ka nentiny tao an-tranon’ilay Ramatoa nipe­ trahany, ka rehefa hariva dia nozaraina ilay zava­pisotro mamy, ka ny veran’ilay zandriny 7 taona tsy nasiany fampatoriana, koa satria kely ny natao anjaran’ilay zaza 7 taona dia nalainy ny an’ny zokiny 14 taona, saingy tsy neken’ireto tovolahy fa tsy veran’io.

Samy nisotro ny azy avy eo. Naleda vetivety teo ilay ankizivavy 14 taona, ary dia nanaovan’izy 2 lahy ny danin’ny kibony nanatanterahany ny filandratsiny fa, ilay zandriny kosa mijery izay ataon’izy 2 lahy, izay norahonany fa tsy nahazo miteny. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly ity zaza ity, ary nokarohina ireto jiolahy, ka tamin’ny 21 martsa teo vao tratra voasambotra tao Andamoty, Tsararivotra-Ambodisatra 2 Sambava noho ny ezaka nataon’ ireo kartie mobile sy andrimasompokonolona. Efa eo am-pelatanan’ny Zandray eto Sambava ny raharaha, efa mandeha ny famotorana.

Tsiahivina fa tamin’ny volana jona 2018, dia efa nanapoizina ankizy mpianatra 5 manofa trano ireto ekipa ireto, tamin’ny alalan’ny fanomezana lasopy nisy valium, mbola migadra any Antalaha moa ilay Ramatoa niray petsapetsa nahandro lasopy tamin’izay fotoana izay, fa aty amin’ny taona 2019 izay vao tratra izao ry zalahy satria zatra ny fomba ratsy fanao, ka dia izao mibaby ny vokatry ny asa ratsy nataony izao.