Vovonana politika DINIKE

Mivonona hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny vovonana politika DINa Iombon-KEvitra (DINIKE) izay fitambaran’ny vondrona politika mpanorina enina toy ny PSD, ny 4F, ny ARORIAKA, ny TEZA, ny TIA TANINDRAZANA ary ny GJMD.

Anisan’ny lohalarana tamin’ny fanohanana an’ny Filoha Ravalomanana ny DINIKE nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Tamin’izany fotoana izany, nisy fifanarahana mikasika ny fampihavanana, ny fampivoarana, ny fampandrosoana ary ny fitantanana nosoniavina niaraka taminy ka izany dia mbola ao anatin’ny fitsipika anatiny.

Mahakasika ny fandaminana eo amin’ny DINIKE sy ny antoko Tiako I Madagasikara dia efa misy rindra sy lamina saingy tsy maintsy hitandremana ny fifandraisana.

Tsiahivina fa saika hisy ny lisitra tokana zay atao hoe “Rodoben’ny mpanangana” fa herinandro talohan’ny fisokafan’ny fisoratana anarana ho depiote dia niova ny paikady. Misy faritra ho sarotra ho an’ny TIM no hambabo azy ireo kanefa mora ho an’ny DINIKE no handresy lahatra ny mpifidy, hoy ny fanazavana teny Ankadivato omaly.

Tsy hifandrafy ny TIM sy ny DINIKE fa hifameno. Distrika 12 no efa misy ny kandidàn’ny DINIKE fa misy ny faha-13 dia miandry didim-pitsarana anio. Misy koa distrika tsy amin’ny alalan’ny DINIKE mivantana. Ohatra Eleana BEZAZA, izay mirotsaka amin’ny alalan’ny PSD any Mandritsara fa rehefa lany dia miditra ao amin’ny vondrona DINIKE.

Anokoatri’ireo vondrona politika mpanorina dia miara-miasa ihany koa ami’nyn fikambanana maro hafa toy ny GAR, ny MDE, ny HE Mada, ny antoko SAMARITANA… ary ireo fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena toa ny HVA, ny CDE, ny Zanaky Mahajanga II Miaro Raiky…

Ny DINIKE dia tsy manana fahavalo fa ny fahavalony dia ny fahantran’i Madagasikara ka ny fampandrosoana no zava-dehibe.

Marigny A.

NY MPANORINA
Ny fiaraha-mientana politika K3F teo aloha sy SAMARITANA izay noforononin’ireo Ray aman-dRenim-piangonana ary ny vovonana MDE (Madagascar Développement et Ethique) no toko telo nanorina ny DINIKE.

INONA NY DINIKE ?
Ny « DINa Iombonan-KEvitra » na DINIKE dia fitambaran’ny vondrona politika mpanorina enina tamin’ny faha 24 febroary 2019 ary mitondra ny laharana 0339 MID/SG/DGI/DLPAP/SAP tamin’ny 07 Mars 2019 dia : ny PSD (Parti Social Démocrate), ny 4F (Fiaraha-mientana ho Fiarovana ny Fiandrianan’ny Firenena), ny ARORIAKA, ny TEZA, ny TIA TANINDRAZANA ary ny GJMD (Groupe des Jeunes Malgaches pour la Démocratie). Ireo isan’ny tompon’andraikitra ohatra dia ry : ZAFIMAHOVA Serge, BEZAZA Marie Eliana, RAZAFINDAMBO Andrianjato, RASOLONOELINA Harin’ny Aina, RABEMANANJARA Albain, Dr RANDRIAMIHARISOA Joseph, RAMBELOSON Mino Julien, REKANY Mahajoro, MAHAVIMBINA Alain, sns.
Ankoatran’ireo vondrona politika mpanorina, ny DINIKE dia miara-miasa ihany koa amin’ny fikambanana maro hafa tsy ho voatonina daholo, fa anisan’izany : ny GAR (Gasikara Antsika Rehetra), ny MDE, HE MADA (Parti Humaniste et Ecologique de Madagascar), ny Antoko SAMARITANA,… ary ireo fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena toa : ny HVA (Hetsika Vonjy Aina), ny CDE (Club Développement et Ethique), ny Zanaky Mahajanga II Miaro Raiky, sns.

NY TANJONA
Ny tanjon’ny vondrona politika DINIKE dia :
– Hiasa ao anatin’ny fanajana ireo soatoavina maha-kristianina sy ny fivelaran’ny maha-olona mifandrindra amin’ny tontolo iainany,
– Handray anjara amin’ireo karazam-pifidianana rehetra na ifotony, na rezionaly, na nasionaly,
– Hametraka rafitra manaja ny lalàna demokratika,
– Hiantoka ny fiandrianan’ny Firenena Malagasy eo amin’ny politikam-panjakana amin’ny famerenana ny Firenena Tan-dalàna, ny fahefam-panjakana, ny fandriampahalemana sy ny fitandrovana ny hasin’ny Firenena,
– Ny fampivoarana ifotony misandrahaka izay miorina indrindra amin’ny fanomezan-danja ny harena voajanahary nasionaly,
– Ny fampandrosoana, mitovy lenta sy mirindra, ireo faritra rehetra eto Madagasikara mifototra amin’ny fanapariahana ny tetibola, ny politikam-panjakana, ny fizarana mitovy lenta ireo harena, ny fandraisana andraikitry ny tsy miankina, ny fahaiza-manao sy ny tekinika. Izany hoe hiantoka ny fanapariahana tena izy amin’ny alalan’ny fanomezana fahaleovantenaara-bola, ara-tekinika sy arak’olona ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana: ny faritra, ny kaominina ary ny fokontany,
– Handinika ny asan’ny Governemanta eo amin’ny sehatra nasionaly sy ifotony ary hampahafantatra izany amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ilay Fifanarahana mikasika ny Fampihavanam-Pirenena, ny Fampivoarana, ny Fampandrosoana sy ny Fahaiza-mitantana izay nosoniavina tamin’ny 21 oktobra 2018,
– Hametraka paikady mikasika ny Fampihavanam-Pirenena sy ny Fanovàna Ifotony ny Repoblika sy ny Firenena hamaliana ny antson’ny FFKM.
Raha fitinina, ny firaisam-pirenena dia tokony hamaritra fa ny vahoaka dia lasa ho tompon’ny andrimpanjakana sy ireo fitsipika mandrindra ny fiaraha-monina. Mahakasika ny fanorenana ny Fanjakana repoblikanina, ny tanjona dia ny mba hahafahana manangana Fanjakana mahay mandrindra ny filàn’ny Fanjakana maoderina amin’ireo soatoavina ifampizarana sy ifoteran’ny kolontsaina Malagasy izay ipoiran’ny fifanaraham-piaraha-monina, ny lalàna fototra ary ny fitsipika ankapoben’ny lalàna.

AHOANA NY FOMBA FIASANA APETRAKAY RAHEFA AO AMIN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA ?
– Handrafitra volavolan-dalàna, ohatra : ny momba ny mpiasam-panjakana, ny fanamafisana ny fahaleovantena any ONE, ny dina ho fampandrosoana sy fandriampahalemana, ny vola fanampiana amin’ny maha olombelona farany ambany, sns.
– Hiantoka ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta amin’ny alalan’ny teti-bolam-panjakana (ohatra : JIRAMA, Air Madagascar, ny fifanarahana amin’ny any hivelany, ny fidiran’ny vahiny amin’ny resaka fananan-tany, sns.)
– Hametraka volavolam-panitsiana lalàna, tovana, sns.

Serge Zafimahova