TGV/MAPAR/IRD sy ny TIM/Tsy Miankina – Hifampitana amin’ny fifidianana depiote

Isambilo

Hifampitana indray ny mpomba ny Filoha Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana depiote ny 27 mey ho avy izao.

Raha araka ny hita tamin’ny OVEC manerana ny Nosy, ho an’ireo kandidà depiote nandrotsaka ny dosie firotsahan-kofidiany dia saika nahafeno ireo distrika 119 eto Madagasikara ny mpomba ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina, sy ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana. Ho an’ny mpomba an-dRajoelina, dia na ny TGV, na ny MAPAR, na ny IRD no nirotsahan’izy ireo amin’izao hazakazaka ho eny Tsimbazaza izao. Ho an’ny mpomba an’i Dada kosa, na amin’ny antoko TIM, na avy amin’ny Tsy Miankina no hirotsahan’izy ireo, hisolovava ny vahoaka eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena. Ohatra amin’izany, tsy misy TIM any Antsiranana, fa ny kandidà Tsy Miankina: Papa Soulé no miara-dia amin’ny filoha nasionalin’ny TIM, toy izany koa ny any Mahabo faritra Menabe, tsy misy kandidà TIM, fa amin’ny anaran’ny Mahaleotena no hirotsahan’ny mpomba an’i Dada,…

Arak’izany, dingana faha-3 eo amin’ny fifanandrianana amin’ny filohan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina sy ny Filoha Marc ravalomanana indray io fifidianana amin’ny 27 mey ho avy izao io. Amin’ity indray mitoraka ity, mety ho sarotra ny hala-bato satria azo lazaina ho fifidianana eny ifotony ny fifidianana depiote, ka samy hanao andrimaso ho fiarovana ny vatony ny rehetra, fa tsy ho tratra ny hala-bato be vata indray toy ireny fifidianana filohampirenena farany teo ireny.