Ranjavololona Pierette Bebiarisoa – Vehivavy mpandraharaha, ben’ny tanàna,… reharehan’i Bongolava

Serge

Amin’izao volana natokana ho an’ny vehivavy, sy ny andro eran-tany ho an’ny vehivavy ny 8 martsa ho avy izao dia indro ampahafantarina antsika ny vehivavy mpitondra no sady Ray aman-dReny be tao Bongolava: Ranjavololona Pierette Bebiarisoa, olobe amin’ny tany any amin’ny faritra Bongolava, mpandraharaha, no sady Ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Kiranomena distrikan’i Fenoarivobe.

Maro ny zava-bitany nandritra ny fotoam-piasany na tamin’ny lafiny ara-poliltika, na fiaraha-monina, indrindra indrindra tamin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Maro ny fotodrafitr’asa nataony: lalana, tetezana, biraon’ny kaominina, ny tranompokonolona, ny fanaovana ho kaominina ireo fokontany toa an’i Tsinjoarivo 22, Mahajeby, ny famoronana ireo andro natokana ho fiantsenana, izay nitetezany ireo toerana rehetra manodidina, itsidihana ireo vahoka noho ny fahalavirana. Tsy hadino ary tsy azo adinoina ny fikarakarany ny vahoaka amin’ny lafiny ara-kolontsaina, ny fandraisany andraikitra tao am-piangonana, amin’ny maha dorkasy sy mpampianatra sekoly alahady azy, ny hazo noely krismasy.

84 taona izy ankehitriny ary misalotra ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre National. Vehivavy mahery fo, no sady mavitrika amin’ny fampandrosoana, no sady liam-pivoarana ity renim-pianakaviana reharehan’i Bongolava ity.