Fiadanana Ambohidratrimo – Misy fitrandrahana tsy manara-dalàna ataon’ny sinoa

Helisoa

Manjakazaka indray ireo teratany vahiny sinoa manao fitrandrahana “vato” ao amin’ny tanànan’i Sarobaratra Fokontany Marianona kaominina Fiadanana, disitrikan’Ambohidratrimo.

Hatreto tsy nisy ny fampahafantarana nandalo ny fokontany , ny ben’ny Tanàna ihany koa tsy nanao tatitra tamin’ireo vahoaka monina any an-toerana, tsy fantatra mazava ny tena hotrandrahan’ireto sinoa ireto, ny feo mandeha sy ny lazan’ny faritra dia volamena no misy ao amin’ity toerana ity.

Mitaraina ny mponina amin’iny kaominina iny dia ny kaominina Mahereza sy Fiadanana disitrikan’Ambohidratrimo, izany mampiasa ny lalana hitaterana ny vokatra fa potika ny lalana, tototry ny ranotany sy ny hatsanga avokoa ny tanimbary . Potika ny fambolena , toy ny voasary izay foto-piveloman’ny mponina ankoatry ny voly hafa, ny toerana fambolen-kazon’ny sekoly any an-toerana, ny rano fisotro sotroina ahiana amin’ny loto sy ny akora simika ampiasain’izy ireo. Manginy fotsiny ny fasan-drazan’ireo olona miorina eo amin’ny toeram-pitrandrahana izay voazimbazimba.

Nampaka-peo arak’izany ny mponina any an-toerana manoloana ny fitrandrahana izay ataon’ireo sinoa any an-toerana, toherin’izy ireo tanteraka ny fitrandrahana any an-toerana, nisy ny fanehoan-kevitra narahina fanehoana sora-baventy nataon’ireo fokonolona an-jatony manoloana ny toeram-pitrandrahana. Tsy nisy tompon’adraikitra afaka namaly na nihaino ireo mponina teny an-toerana.

Raha ny fantatra dia hitohy hatrany ny hetsika fitakiana fampiatoana ny asa fitrandrahana ataon’ireo mponina any an-toerana dia ny ao amin’ny kaominina Fiadanana sy Mahereza, taorian’ny hetsika fanairana nataon’izy ireo omaly.